Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 24:29-40 Malagasy Bible (MG1865)

29. Ary Rebeka nanana anadahy, Labana no anarany; dia nihazakazaka Labana nankeo amin-dralehilahy teo ivelany, teo am-pantsakana.

30. Ary rehefa hitany ny kavin'orona sy ny haba teny an-tànan 'ny anabaviny, sady efa reny ny tenin-dRebeka anabaviny nanao hoe: Izany no nolazain-dralehilahy tamiko, dia nankeo amin-dralehilahy izy; ary, indro, mbola nijanona teo anilan'ny rameva teo am-pantsakana ralehilahy.

31. Ary hoy Labana: Miakara. ry ilay notahin'i Jehovah; nahoana no mijanona eto ivelany ianao? fa izaho efa namboatra ny trano sy izay hitoeran'ny rameva.

32. Dia niditra tao an-trano ralehilahy; ary Labana dia namaha ny entana tamin'ny rameva ka nanome mololo sy vilona ho an'ny rameva ary rano hanasana ny tongo-dralehilahy sy ny tongotry ny olona izay nomba azy.

33. Dia nandroso hanina teo anoloany izy; fa hoy ralehilahy: Tsy mbola hihinana aho, raha tsy efa voalazako ny raharahako. Ary hoy izy: Lazao ary!

34. Dia hoy ralehilahy: Mpanompon'i Abrahama aho.

35. Ary Jehovah efa nitahy ny tompoko indrindra, ka efa be ny fananany; ary Jehovah efa nanome azy ondry aman'osy sy omby, ary volafotsy sy volamena, ary andevolahy sy andevovavy, ary rameva sy boriky.

36. Ary rehefa antitra Saraha, vadin'ny tompoko, dia niteraka zazalahy tamin'ny tompoko izy; ary efa natolotry ny tompoko ho an'ny zanany izay rehetra ananany.

37. Ary efa nampianiana ahy ny tompoko ka nanao hoe: Aza makà vady ho an'ny zanako avy amin'ny zanakavavin'ny Kananita, izay iraisako monina;

38. fa any amin'ny tranon'ikaky sy any amin'ny havako no halehanao ka hakanao vady any ho an'ny zanako.

39. Ary izaho namaly ny tompoko hoe: Angamba tsy hety hiaraka amiko ny vehivavy.

40. Ary hoy izy tamiko: Jehovah, Izay andehanako eo anatrehany, dia haniraka Ilay Anjeliny homba anao sy hanambina ny alehanao, ary ianao haka vady ho an'ny zanako avy amin'ny havako sy amin'ny tranon'ikaky.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 24