Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 22:1-11 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary rehefa afaka izany zavatra izany, dia nizahan'Andriamanitra toetra Abrahama, ka hoy Izy taminy: Ry Abrahama ô! ary hoy izy; Inty aho.

2. Ary hoy Izy: Ento ny zanakao, ny lahitokanao izay tianao, dia Isaka ka mankanesa any amin'ny tany Moria; ary atero any izy ho fanatitra dorana ao amin'ny tendrombohitra anankiray izay holazaiko aminao.

3. Ary nifoha maraina koa Abrahama dia nanisy lasely ny borikiny ka nitondra zatovony roa lahy koa niaraka taminy sy Isaka zanany ary namaky ny hazo hataina amin'ny fanatitra dorana izy dia niainga ka nankany amin'ny tany izay efa nolazain'Andriamanitra taminy,

4. Nony tamin'ny andro fahatelo Abrahama dia nanopy ny masony ka nahatazana ny tany terỳ lavitra erỳ.

5. Ary hoy Abrahama tamin'ny zatovony: Mijanòna eto amin'ny boriky ianareo, fa izaho sy ny zazalahy handeha hankerỳ; ary hivavaka izahay dia hiverina eto aminareo indray.

6. Dia nalain'i Abrahama ny hazo hataina amin'ny fanatitra dorana ka natataony an'Isaka zanany; fa izy kosa nitondra ny afo sy ny antsy teny an-tànany; ary dia niara-nandeha izy mianaka.

7. Ary Isaka niteny tamin'i Abrahama rainy ka nanao hoe: Ry ikaky ô! dia hoy izy: Inty aho, anaka. Ary hoy izy: Indreto ny afo sy ny kitay; fa aiza kosa izay ondry hatao fanatitra dorana?

8. Fa hoy Abrahama: Anaka. Andriamanitra no hahita izay ondry hatao fanatitra dorana; dia niara-nandeha izy mianaka.

9. Ary rehefa tonga teo amin'ny tany izay efa nolazain'Andriamanitra taminy izy, dia nanorina ny alitara teo Abrahama ka nandahatra ny kitay; dia namatotra an'i Isaka zanany izy ka nametraka azy tambonin'ny alitara teo ambonin'ny kitay.

10. Ary Abrahama naninjitra ny tànany ka nandray ny antsy mba hamonoany ny zanany.

11. Fa niantso azy Ilay Anjelin'i Jehovah tany an-danitra ka nanao hoe: Ry Abrahama, ry Abrahama ô! ary hoy kosa izy: Inty aho.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 22