Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 21:18-29 Malagasy Bible (MG1865)

18. Mitsa­ngana, areno ny zaza, ka tantano; fa hataoko firenena lehibe izy.

19. Dia nampahiratin'Andriamanitra ny mason'i Hagara, ka nahita lavaka fantsakana izy; ary lasa izy, dia nameno rano ny siny hoditra ka nampisotro rano ny zaza.

20. Ary nomban'Andriamanitra ny zaza. dia nitombo izy; ary nonina tany an-efitra izy ka nony efa lehibe dia tonga mpandefa tsipìka.

21. Ary nonina tany an-efitra Parana izy ka nakan'ny reniny vady avy tany amin'ny tany Egypta izy.

22. Ary tamin'izany andro izany Abimeleka sy Pikola, komandin'ny miaramilany, dia niteny tamin'i Abrahama ka nanao hoe: Omban'Andriamanitra ianao amin'izay re­hetra ataonao;

23. koa ankehitriny ianiano amin'Andriamanitra aho fa tsy hamitaka ahy na ny zanako na ny taranako ianao; fa araka ny soa izay efa nataoko taminao no mba ataovy amiko sy amin'ny tany izay ivahinianao.

24. Ary hoy Abrahama: Hianiana ihany aho.

25. Ary Abrahama nananatra an'i Abimeleka noho ny lavaka fantsakana anankiray izay efa nalain'ny mpanompon'i Abimeleka an-keriny

26. Dia hoy Abimeleka: Tsy fantatro izay nanao izany; fa ianao tsy mbola nanambara tamiko, ary izaho koa tsy mba nahare, raha tsy vao izao.

27. Ary Abrahama naka ondry aman'osy sy omby. ka nomeny an'i Abimeleka; dia nanao fanekena izy roa lahy.

28. Ary Abrahama nanokana ondrivavikely fito navahana tamin'ny ondry.

29. Ary hoy Abimeleka tamin'i Abrahama: Hatao inona ireo ondrivavy kely fito natokanao ireo?

Vakio ny toko manontolo Genesisy 21