Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 17:15-27 Malagasy Bible (MG1865)

15. Dia hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: Ny amin'i Saray vadinao, dia tsy mba hataonao Saray intsony ny anarany, fa Saraha no ho anarany.

16. Ary hitahy azy Aho ka hampanana azy zazalahy ho anao; eny, hitahy azy Aho, ka ho tonga firenena maro izy; ary hisy mpanjakan'ny firenena maro avy aminy.

17. Dia niankohoka Abrahama ary nitsiky, dia nanao anakampo hoe: Hiteraka va aho, izay efa zato taona? ary hiteraka va Saraha, izay efa sivi-folo taona?

18. Ary hoy Abrahama tamin'Andriamanitra : Enga anie ka Isimaela no ho velona eo anatrehanao!

19. Ary hoy Andriamanitra: Tsia, fa Saraha vadinao hiteraka zazalahy aminao; ary ny anarany dia hataonao hoe Isaka; ary ny fanekeko haoriko aminy ho fanekena mandrakizay ho an'ny taranany mandimby azy.

20. Ary ny amin'Isimaela, dia efa nihaino anao Aho; indro, efa nitahy azy Aho ka hahamaro ny taranany sy hampitombo azy indrindra; hiteraka andriana roa ambin'ny folo izy, satria efa notendreko ho firenena lehibe.

21. Nefa ny fanekeko haoriko amin'Isaka. izay haterak'i Saraha aminao raha avy ny taona toy izao.

22. Ary rehefa vita ny teny nataony taminy, dia niakatra Andriamanitra niala teo amin'i Abrahama.

23. Koa dia nalain'i Abrahama Isimaela zanany sy ny ompikeliny rehetra mbamin'izay rehetra novidiny vola dia ny lehilahy rehetra tao an-tranony; dia noforany androtrizay indrindra ireo araka izay nolazain'Andriamanitra taminy.

24. Ary efa sivy amby sivi-folo taona Abrahama, raha noforana izy.

25. Ary efa telo ambin'ny folo taona Isimaela zanany, raha noforana izy.

26. Androtrizay indrindra no namorana an'i Abrahama sy Isimaela zanany;

27. ary ny lehilahy rehetra tao an-tranony, dia ny ompikely mbamin'izay novidim-bola tamin'ny hafa firenena, dia samy niara-noforana taminy avokoa.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 17