Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezra 8:18-30 Malagasy Bible (MG1865)

18. Ary araka ny soa nataon'ny tànan'Andriamanitray taminay no nitondrany olon-kendry anankiray ho any aminay avy tamin'ny taranak'i Maly, zanak'i Levy, zanak'Isiraely, ary Serebia, sy ny zanany mbamin'ny rahalahiny, valo ambin'ny folo lahy,

19. ary Hasabia sy Jesaia, avy tamin'ny taranak'i Merary, mbamin'ny rahalahiny ary ny zanany roa-polo lahy;

20. ary avy tamin'ny Netinima, izay notendren'i Davida sy ny mpanapaka hanompo ny Levita, dia roa-polo amby roan-jato lahy; notononina anarana avokoa ireo.

21. Dia niantso andro fifadian-kanina aho teo amoron'ny ony Ahava hampahorianay tena eo anatrehan'Andriamanitray, mba hangataka Azy hahalavorary ny dianay sy ny an'ny vady aman-janakay ary ny biby fiompinay rehetra.

22. Fa nahamenatra ahy ny hangataka miaramila sy mpitaingin-tsoavaly amin'ny mpanjaka hiaro anay amin'ny fahavalonay eny an-dalana, satria efa niteny tamin'ny mpanjaka izahay ka nanao hoe: Sy tànan'Andriamanitray mahasoa izay rehetra mitady Azy; fa ny heriny sy ny fahatezerany kosa mamely izay rehetra mahafoy Azy.

23. Ary nifady hanina izahay ka nangataka izany tamin'Andriamanitray, dia nihaino anay Izy.

24. Ary nanokana roa ambin'ny folo lahy tamin'ny lohan'ny mpisorona aho, dia Serebia sy Hasabia ary rahalahiny folo lahy ho namany,

25. ka nolanjaiko ny volafotsy sy ny volamena horaisiny mbamin'ny fanaka, dia ny fanatitra ho ao an-tranon'Andriamanitray, izay efa naterin'ny mpanjaka sy ireo mpanolotsainy sy ireo mpanapaka ary ny Isiraely rehetra izay vory teo;

26. eny, nolanjaiko hatolotra azy ny talenta volafotsy dimam-polo amby enin-jato sy fanaka volafotsy, lanjan'ny talenta zato, ary talenta volamena zato

27. sy kapoaka volamena misarona roa-polo, lanjan'ny darika arivo, ary fanaka varahina roa manganohano, tsara toy ny volamena.

28. Ary hoy izaho taminy: Hianareo dia masina ho an'i Jehovah, sady masina koa ny fanaka; ary ny volafotsy sy ny volamena dia fanati-tsitrapo ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo.

29. Koa miambena ianareo, ka tandremo ireny mandra-pandanianareo azy indray eo anatrehan'ny lohan'ny mpisorona sy ny Levita ary ny lohan'ny fianakaviana amin'ny Isiraely any Jerosalema, dia amin'ny efi-trano ao an-tranon'i Jehovah.

30. Dia noraisin'ny mpisorona sy ny Levita izany volafotsy sy volamena ary fanaka voalanja izany mba ho entiny ho any Jerosalema ho ao an-tranon'Andriamanitray.

Vakio ny toko manontolo Ezra 8