Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezra 8:15-31 Malagasy Bible (MG1865)

15. Ary novoriko teo amoron'ny ony mankany Ahava izy, ka nilasy teo hateloana izahay; ary nony nandinika ny olona sy ny mpisorona aho, dia nahita fa tsy nisy taranak'i Levy teo na dia iray akory aza.

16. Ka dia nirahiko Eliezera sy Ariela sy Semaia sy Elnatana sy Jariba sy Elnatana sy Natana sy Zakaria sy Mesolama (samy loholona ireo) ary Joariba sy Elnatana (samy mpampianatra ireo).

17. Ary nampitondraiko teny ho any amin'Ido, loholona any Kasifia, ireo, ka nambarako azy izay teny holazainy amin'Ido sy ny Netinima rahalahiny any Kasifia, mba ho entiny any aminay izay ho mpanao fanompoam-pivavahana ao an-tranon'Andriamanitray.

18. Ary araka ny soa nataon'ny tànan'Andriamanitray taminay no nitondrany olon-kendry anankiray ho any aminay avy tamin'ny taranak'i Maly, zanak'i Levy, zanak'Isiraely, ary Serebia, sy ny zanany mbamin'ny rahalahiny, valo ambin'ny folo lahy,

19. ary Hasabia sy Jesaia, avy tamin'ny taranak'i Merary, mbamin'ny rahalahiny ary ny zanany roa-polo lahy;

20. ary avy tamin'ny Netinima, izay notendren'i Davida sy ny mpanapaka hanompo ny Levita, dia roa-polo amby roan-jato lahy; notononina anarana avokoa ireo.

21. Dia niantso andro fifadian-kanina aho teo amoron'ny ony Ahava hampahorianay tena eo anatrehan'Andriamanitray, mba hangataka Azy hahalavorary ny dianay sy ny an'ny vady aman-janakay ary ny biby fiompinay rehetra.

22. Fa nahamenatra ahy ny hangataka miaramila sy mpitaingin-tsoavaly amin'ny mpanjaka hiaro anay amin'ny fahavalonay eny an-dalana, satria efa niteny tamin'ny mpanjaka izahay ka nanao hoe: Sy tànan'Andriamanitray mahasoa izay rehetra mitady Azy; fa ny heriny sy ny fahatezerany kosa mamely izay rehetra mahafoy Azy.

23. Ary nifady hanina izahay ka nangataka izany tamin'Andriamanitray, dia nihaino anay Izy.

24. Ary nanokana roa ambin'ny folo lahy tamin'ny lohan'ny mpisorona aho, dia Serebia sy Hasabia ary rahalahiny folo lahy ho namany,

25. ka nolanjaiko ny volafotsy sy ny volamena horaisiny mbamin'ny fanaka, dia ny fanatitra ho ao an-tranon'Andriamanitray, izay efa naterin'ny mpanjaka sy ireo mpanolotsainy sy ireo mpanapaka ary ny Isiraely rehetra izay vory teo;

26. eny, nolanjaiko hatolotra azy ny talenta volafotsy dimam-polo amby enin-jato sy fanaka volafotsy, lanjan'ny talenta zato, ary talenta volamena zato

27. sy kapoaka volamena misarona roa-polo, lanjan'ny darika arivo, ary fanaka varahina roa manganohano, tsara toy ny volamena.

28. Ary hoy izaho taminy: Hianareo dia masina ho an'i Jehovah, sady masina koa ny fanaka; ary ny volafotsy sy ny volamena dia fanati-tsitrapo ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo.

29. Koa miambena ianareo, ka tandremo ireny mandra-pandanianareo azy indray eo anatrehan'ny lohan'ny mpisorona sy ny Levita ary ny lohan'ny fianakaviana amin'ny Isiraely any Jerosalema, dia amin'ny efi-trano ao an-tranon'i Jehovah.

30. Dia noraisin'ny mpisorona sy ny Levita izany volafotsy sy volamena ary fanaka voalanja izany mba ho entiny ho any Jerosalema ho ao an-tranon'Andriamanitray.

31. Dia niala teo amin'ny ony Ahava izahay tamin'ny andro faharoa ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany mba hankany Jerosalema; ary ny tànan'Andriamanitray nomba anay, ka Izy no namonjy anay tamin'ny tanan'ny fahavalo sy ny mpanotrika teny an-dalana.

Vakio ny toko manontolo Ezra 8