Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezra 6:15-22 Malagasy Bible (MG1865)

15. Dia vita io trano io tamin'ny andro fahatelo tamin'ny volana Adara tamin'ny taona fahenina nanjakan'i Dariosy mpanjaka.

16. Ary ny Zanak'Isiraely, na ny mpisorona, na ny Levita, na ny olona sisa izay nody avy tamin'ny fahababoana, dia nitokana io tranon'Andriamanitra io tamin'ny fifaliana;

17. ary ny nateriny hitokanana io tranon'Andriamanitra io dia omby zato sy ondrilahy roan-jato sy zanak'ondry efa-jato; ary ny ho fanatitra noho ny ota kosa ho an'ny Isiraely rehetra dia osilahy roa ambin ny folo, araka ny isan'ny firenen'Isiraely.

18. Dia nanendry ny mpisorona ho amin'ny firazanany avy sy ny Levita ho amin'ny antokony avy izy, hanao ny fanompoana an'Andriamanitra izay any Jerosalema, araka izay voasoratra ao amin'ny bokin'i Mosesy.

19. Ary ny olona izay efa nody avy tamin'ny fahababoana dia nitandrina ny Paska tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany;

20. fa ny mpisorona sy ny Levita samy efa nanadio ny tenany rahateo, dia nadio izy rehetra ka namono ny Paska ho an'izay rehetra efa nody avy tamin'ny fahababoana sy ho an'ny mpisorona rahalahiny ary ho an'ny tenany,

21. Dia nihinana izany ny Zanak'Isiraely izay efa nody avy tamin'ny fahababoana mbamin'izay rehetra niavaka ho namany ka niala tamin'ny fahalotoan'ny firenena tompon-tany hitady an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,

22. ka dia nitandrina ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira hafitoana tamin'ny fifaliana izy; fa Jehovah efa nampifaly azy ary efa nampiova ny fon'ny mpanjakan'i Asyria hamindra fo aminy ka hampahery ny tànany tamin'ny nanaovany ny tranon'Andriamanitra, dia Andriamanitry ny Isiraely.

Vakio ny toko manontolo Ezra 6