Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezra 6:14-20 Malagasy Bible (MG1865)

14. Dia nanao ny trano ny loholon'ny Jiosy ka nambinina noho ny faminanian'i Hagay mpaminany sy Zakaria, zanak'Ido. Ary nanao ny trano izy ka nahavita azy, araka ny didin'Andriamanitry ny Isiraely sy araka ny didin'i Kyrosy sy Dariosy ary Artaksersesy, mpanjakan'i Persia.

15. Dia vita io trano io tamin'ny andro fahatelo tamin'ny volana Adara tamin'ny taona fahenina nanjakan'i Dariosy mpanjaka.

16. Ary ny Zanak'Isiraely, na ny mpisorona, na ny Levita, na ny olona sisa izay nody avy tamin'ny fahababoana, dia nitokana io tranon'Andriamanitra io tamin'ny fifaliana;

17. ary ny nateriny hitokanana io tranon'Andriamanitra io dia omby zato sy ondrilahy roan-jato sy zanak'ondry efa-jato; ary ny ho fanatitra noho ny ota kosa ho an'ny Isiraely rehetra dia osilahy roa ambin ny folo, araka ny isan'ny firenen'Isiraely.

18. Dia nanendry ny mpisorona ho amin'ny firazanany avy sy ny Levita ho amin'ny antokony avy izy, hanao ny fanompoana an'Andriamanitra izay any Jerosalema, araka izay voasoratra ao amin'ny bokin'i Mosesy.

19. Ary ny olona izay efa nody avy tamin'ny fahababoana dia nitandrina ny Paska tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany;

20. fa ny mpisorona sy ny Levita samy efa nanadio ny tenany rahateo, dia nadio izy rehetra ka namono ny Paska ho an'izay rehetra efa nody avy tamin'ny fahababoana sy ho an'ny mpisorona rahalahiny ary ho an'ny tenany,

Vakio ny toko manontolo Ezra 6