Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezra 3:9-11 Malagasy Bible (MG1865)

9. Dia niara-nitsangana Jesoa sy ny zanany ary ny rahalahiny, ary Kadmiela sy ny zanany, zanak'i Joda, ho tonian'ny mpiasa tamin'ny tranon'Andriamanitra, ary ny zanak'i Henadada koa mbamin'ny zanany sy ny Levita rahalahiny.

10. Ary rehefa naorin'ny mpiasa ny tempolin'i Jehovah, dia nasainy hidera an'i Jehovah ny mpisorona, sady niakanjo ny akanjony sy nitondra trompetra, ary ny Levita, zanak'i Asafa, kosa nitondra kipantsona, araka ny nandidian'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely.

11. Dia nanao hira nifamalivaly nidera sy nisaotra an'i Jehovah izy, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony amin'ny Isiraely. Dia nihoby mafy ny olona rehetra, raha nidera an'i Jehovah, satria vita ny fanorenan'ny tranon'i Jehovah.

Vakio ny toko manontolo Ezra 3