Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezra 10:9-16 Malagasy Bible (MG1865)

9. Ary nony tamin'ny andro fahatelo dia vory tany Jerosalema ny lehilahy rehetra tamin'ny Joda sy ny Benjamina, dia tamin'ny andro faharoa-polo tamin'ny volana fahasivy; ary nipetraka teo an-kalalahana akaikin'ny tranon'Andriamanitra ny olona rehetra ka nangovitra noho izany zavatra izany sy noho ny ranonorana be.

10. Dia nitsangana Ezra mpisorona ka nanao taminy hoe: Hianareo efa nanao izay mahadiso, satria naka vehivavy hafa firenena ho vadinareo ka nampitombo ny fahadisoan'ny Isiraely.

11. Koa mitsora amin'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, ka ataovy ny sitrapony; ary misaraha amin'ny olona tompon-tany sy ny vehivavy hafa firenena.

12. Dia namaly ny fiangonana rehetra ka niredona mafy hoe: Izay lazainao dia tsy maintsy hataonay;

13. nefa maro ny olona, ary fahavaratra ny andro, ka tsy mahatoetra etį»³ ala-trano izahay, sady raharaha tsy vita indray andro na indroa andro aza izao, fa maro izahay no efa nanota tamin'izany zavatra izany;

14. koa aoka ny mpanapaka anay no hitoetra eto ho solon'ny fiangonana rehetra, ary ny olona rehetra any amin'ny tanànantsika avy izay efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny no aoka hankatį»³ amin'izay fotoan'andro hatao, ary hiaraka aminy koa ny loholony isan-tanàna sy ny mpitsara ao, mandra-pahavitan'izany raharaha izany sy ny hialan'ny firehetan'ny fahatezeran'Andriamanitsika amintsika.

15. Jonatana, zanak'i Asahela, sy Jahaza, zanak'i Tikva, ihany no nanohitra izany; ary Mesolama sy Sabetahy Levita niandany taminy koa.

16. Fa ny olona izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana kosa dia nanaraka izany; ary voatokana Ezra mpisorona sy ny sasany amin'ny lohan'ny fianakaviana, araka ny fianakaviany avy, sady samy efa notononina anarana, dia nipetraka handinika Izany raharaha izany tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahafolo.

Vakio ny toko manontolo Ezra 10