Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezra 10:13-28 Malagasy Bible (MG1865)

13. nefa maro ny olona, ary fahavaratra ny andro, ka tsy mahatoetra etỳ ala-trano izahay, sady raharaha tsy vita indray andro na indroa andro aza izao, fa maro izahay no efa nanota tamin'izany zavatra izany;

14. koa aoka ny mpanapaka anay no hitoetra eto ho solon'ny fiangonana rehetra, ary ny olona rehetra any amin'ny tanànantsika avy izay efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny no aoka hankatỳ amin'izay fotoan'andro hatao, ary hiaraka aminy koa ny loholony isan-tanàna sy ny mpitsara ao, mandra-pahavitan'izany raharaha izany sy ny hialan'ny firehetan'ny fahatezeran'Andriamanitsika amintsika.

15. Jonatana, zanak'i Asahela, sy Jahaza, zanak'i Tikva, ihany no nanohitra izany; ary Mesolama sy Sabetahy Levita niandany taminy koa.

16. Fa ny olona izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana kosa dia nanaraka izany; ary voatokana Ezra mpisorona sy ny sasany amin'ny lohan'ny fianakaviana, araka ny fianakaviany avy, sady samy efa notononina anarana, dia nipetraka handinika Izany raharaha izany tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahafolo.

17. Ary nony tonga ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany dia vitany ny raharaha ny amin'ny lehilahy rehetra Izay efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny.

18. Ary ny hita teo amin'ny taranaky ny mpisorona izay efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny dia izao: Ny teo amin'ny taranak'i Jesoa, zanak'i Jozadaka, sy ny rahalahiny dia Mahaseia sy Eliezera sy Jariba ary Gedalia;

19. dia nanola-tanana nanaiky hisaotra ny vadiny izy ireo sy handoa ondriny iray avy ho fanati-panonerany.

20. Ary ny avy tamin'ny taranak'Imera dia Hanany sy Zebedia;

21. ary ny avy tamin'ny taranak'i Harima dia Mahaseia sy Elia sy Semaia sy Jehiela ary Ozia;

22. ary ny avy tamin'ny taranak'i Pasora dia Elioenay sy Mahaseia sy Isimaela sy Netanela sy Jozabada ary Elasa.

23. Ary ny avy tamin'ny Levita dia Jozabada sy Simey sy Kelaia (Kelita izany) sy Petahia sy Joda ary Eliezera:

24. ary ny avy tamin'ny mpihira dia Eliasiba; ary ny avy tamin'ny mpiandry varavarana dia Saloma sy Talema ary Ory.

25. Ary ny avy tamin'ny Isiraely koa: ny avy tamin'ny taranak'i Parosy dia Ramia sy Jizia sy Malkia sy Miamina sy Eleazara sy Malkia ary Benaia;

26. ary ny avy tamin'ny taranak'i Elema dia Matania sy Zakaria sy Jehiela sy Abdia sy Jeremota ary Elia;

27. ary ny avy tamin'ny taranak'i Zato dia Elioenay sy Eliasiba sy Matania sy Jeremota sy Zabada ary Aziza;

28. ary ny avy tamin'ny taranak'i Bebay dia Johanana sy Hanania sy Zabay sy Atlay;

Vakio ny toko manontolo Ezra 10