Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 9:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary niantso tamin'ny feo mahery teo anatrehako Jehovah ka nanao hoe: Manakeke ianareo, ry mpiambina ny tanàna, ka samia mitondra ny fiadiany eny an-tànany avy ho enti-mandringana.

2. Ary, indreo, nisy lehilahy enina avy tamin'ny lalana mankamin'ny vavahady ambony, izay manatrika ny avaratra, sady samy nitondra ny fiasany fanorotoroana teny an-tanany avy izy; ary ny anankiray tamin'ireo dia nitafy rongony fotsy, sady nisy fitoeran-dranomaintin'ny mpanoratra teo am-balahany; ary niditra izy ireo ka nitsangana teo anilan'ny alitara varahina.

3. Ary ny voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely efa niakatra niala teo amin'ny kerobima, izay nitoerany, ho eo amin'ny tokonam-baravaran'ny trano, ary Izy niantso ilay olona nitafy rongony, totsy izay nisy fitoeran-dranomaintin'ny mpanoratra teo am-balahany.

4. Ary hoy Jehovah taminy: Mandehana mamaky ny tanàna, dia Jerosalema, ka asio marika ny handrin'ny olona izay misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao eo aminy.

5. Ary reko Izy nanao tamin'ny sasany hoe: Mandehana manaraka azy ianareo hamaky ny tanàna, ka mameleza; aoka tsy hamindra fo aminy ny masonareo, ary aza ananana antra izy,

6. Fa na lahy antitra, na zatovo, na virijina, na zaza madinika, na vehivavy, dia aringano avokoa; fa izay olona misy ilay marika ihany no aza kasihina ary atombohy hatreo amin'ny fitoerako masina izany. Dia nanomboka tamin'ny lahy antitra izay teo anoloan'ny trano ireo.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 9