Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 8:2-11 Malagasy Bible (MG1865)

2. Ary hitako fa, indro, nisy nitarehin'afo; hatramin'ny valahany no ho midina dia afo; ary hatramin'ny valahany no ho miakatra kosa dia nitarehin-java-mamirapiratra dia toy ny volon'ny metaly mamirapiratra.

3. Ary nisy nitarehin-tanana nahinjiny, ka noraisiny tamin'ny voloko aho, dia nisy fanahy nanainga ahy ho eny anelanelan'ny tany sy ny lanitra ka nitondra ahy ho any Jerosalema tamin'ny fahitana avy amin'Andriamanitra, ho eo amin'ny vavahadin'ny kianja anatiny, izay manatrika ny avaratra, dia ilay nisy ny sarin-javatra fampahasaro-piaro, dia ilay mampahasaro-piaro.

4. Ary, indro, teo ny voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely tahaka ilay fahitana efa hitako teo amin'ny lohasaha.

5. Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, atopazy kely amin'ny lalana mianavaratra ny masonao. Dia natopiko tamin'ny lalana mianavaratra ny masoko ka, indro, eny avaratry ny vavahadin'ny alitara no nisy ilay sarin-javatra fampahasaro-piaro teo amin'ny fidirana.

6. Dia hoy koa Izy tamiko: Ry zanak'olona, hitanao va izay ataon'ireo, dia ny fahavetavetana lehibe izay ataon'ny taranak'Isiraely eto ka mampanalavitra Ahy amin'ny fitoerako masina? Mbola hahita fahavetavetana lehibe koa ianao.

7. Dia nentiny ho eo amin'ny vavahadin'ny kianja aho; ary hitako fa, indro, nisy loaka teo amin'ny ampiantany.

8. Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, loahy ny ampiantany; dia noloahako ny ampiantany ka, indro, nisy varavarana.

9. Ary hoy Izy tamiko: Midira, ka jereo ny fahavetavetana lehibe ataony eto.

10. Dia niditra aho ka nahita, ary indreo, nisy sarin'ny biby mandady sy mikisaka rehetra sy ny biby hafa, dia izay fahavetavetana, sy ny sampy rehetra an'ny taranak'Isiraely, voasoratra teo amin'ny rindrina manodidina.

11. Ary nisy olona fito-polo lahy, isan'ny loholon'ny taranak'Isiraely, nitsangana teo anoloan'ireo, ary Jazania, zanak'i Safana, nitsangana teo afovoany, samy nitondra ny loviany fandoroana ditin-kazo manitra teny an-tànany avy, ary ny setroky ny ditin-kazo manitra dia nidonata.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 8