Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 46:12-23 Malagasy Bible (MG1865)

12. Ary raha ny mpanjaka no manatitra fanatitra dorana na fanati-pihavanana ho fanatitra sitrapo ho an'i Jehovah, dia hovohana ho azy ny vavahady manatrika ny atsinanana, dia hateriny ny fanatitra dorany sy ny fanati-pihavanany, tahaka izay àtaony amin'ny Sabata; ary rehefa tafavoaka izy, dia harindrina ny vavahady.

13. Ary zanak'ondry anankiray iray taona tsy misy kilema no haterinao isan'andro ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah; isa-maraina no hanateranao azy.

14. Ary hanatitra fanatitra hohanina ho fanampiny isa-maraina ianao, dia ampahenin'ny efaha sy diloilo ampahatelon'ny hina handemana ny koba tsara toto; fanatitra hohanina ho an'i Jehovah izany: lalàna tsy miova mandrakizay izany.

15. Ary toy izany no anatero ny zanak'ondry sy ny fanatitra hohanina ary ny diloilo isa-maraina ho fanatitra mandrakariva.

16. Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha manome zavatra ho an'ny anankiray amin'ny zanany ny mpanjaka, dia ho lovan'ny zanany izany; eny, ho zara-lovany izany.

17. Fa raha manome zavatra avy amin'ny lovany ho an'ny anankiray amin'ny mpanompony kosa izy, dia ho azy mandra-pahatongan'ny taona fanafahana ihany izany; dia hiverina ho amin'ny mpanjaka indray izany ka ho lova ho an'ny zanany ihany.

18. Ary tsy haka amin'ny lovan'ny vahoaka hampiala azy amin'ny zara-taniny izy; fa homeny lova avy amin'ny fananany ihany ny zanany, mba tsy hielezan'ny oloko hiala amin'ny zara-taniny.

19. Dia nentiny niditra tamin'ny fidirana eo anilan'ny vavahady aho ho ao amin'ireo efi-trano masin'ny mpisorona, izay manatrika ny avaratra; ary, indro, nisy fitoerana teo amin'ny faran'ny andrefana.

20. Dia hoy izy tamiko: Io no fitoerana fahandroan'ny mpisorona ny fanati-panonerana sy ny fanatitra noho ny ota sy hanendasany ny fanatitra hohanina, mba tsy hitondrany azy mivoaka lò any amin'ny kianja ivelany hanamasina ny olona.

21. Dia nentiny nivoaka ho any amin'ny kianja ivelany aho ka nampiteteziny ny zorony efatra amin'ny kianja; ary, indro, ao amin'ny isan-joron'ny kianja dia nisy kianja hafa koa.

22. Teny amin'ny zorony efatra amin'ny kianja dia nisy kianja nofefena, efa-polo hazizo avy ny lavany, ary telo-polo avy ny sakany; mitovy ohatra ireo an-jorony efatra ireo.

23. Ary nisy rafitra teo anatiny manodidina azy, dia manodidina ireo efatra ireo, izay nisy fahandroana ambanin'izany rafitra manodidina izany.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 46