Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 45:20-25 Malagasy Bible (MG1865)

20. Ary toy izany koa no hataonao amin'ny andro fahafito amin'ny volana ho an'ny olona manota tsy nahy, na noho izy kely saina, ka dia hanao fanavotana ho an'ny trano ianareo.

21. Amin'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohany no hanaovanareo ny Paska; andro firavoravoana hafitoana izany, ka mofo tsy misy masirasira no hohanina.

22. Ary amin'izany andro izany ny mpanjaka dia hanatitra vantotr'ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota ho an'ny tenany sy ny vahoaka rehetra.

23. Ary amin'ny andro firavoravoana hafitoana dia hanatitra fanatitra dorana isan'andro mandritra ny hafitoana ho an'i Jehovah izy, dia vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito tsy misy kilema, ary osilahy iray isan'andro hataony fanatitra noho ny ota.

24. Ary hanatitra ny fanatitra hohanina koa izy, dia iray efaha isam-bantotr'ombilahy sy iray efaha isan-ondrilahy, ary diloilo eran'ny hina isan-efaha.

25. Amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahafito, amin'ny andro firavoravoana, dia hanatitra tahaka izany koa hafitoana izy, na ny fanatitra noho ny ota, na ny fanatitra dorana, na ny fanatitra hohanina, na ny diloilo.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 45