Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 44:19-29 Malagasy Bible (MG1865)

19. Ary raha mivoaka ho any amin'ny kianja ivelany hankany amin'ny olona izy, dia hesoriny ilay fitafiana nentiny nanao fanompoam-pivavahana, ka havelany ao amin'ny efi-trano masina, ary hitafy fitafiana hafa izy, fa tsy hanamasina ny olona amin'ireny fitafiany ireny.

20. Tsy hanaratra ny lohany izy, nefa kosa tsy hanao lava volo, fa hataony tsara hety.

21. Ny divay dia tsy hosotroin'izay mpisorona, raha miditra any amin'ny kianja anatiny izy.

22. Ary tsy hanambady vehivavy efa maty vady na izay efa nisaorana izy; fa virijiny avy amin'ny taranak'Isiraely, na izay novinadin'ny mpisorona efa maty no hovadiny.

23. Ary hampianatra ny oloko ny tsi-fitovian'ny masina sy ny tsy masina izy ary hampahafantatra azy ny tsi-fitovian'ny tsy madio sy ny madio.

24. Ary raha misy mifanditra, dia ireo no hitsangana hitsara, ka araka ny fitsipiko no hitsarany azy; ary ny lalàko sy ny didiko dia hotandremany amin'ny fotoam-pivavahana rehetra voatendriko, ary ny Sabatako dia hohamasininy.

25. Ary tsy hiditra am-paty handoto ny tenany izy ireny; kanefa raha rainy, na reniny, na zananilahy, na zananivavy, na rahalahiny, na anabaviny tsy manam-bady, dia mahazo miditra am-paty ihany izy.

26. Ary rehefa voadio aza izy, dia mbola hampiandrasina hafitoana aloha.

27. Ary amin'ny andro hidirany ao amin'ny fitoerana masina, dia any amin'ny kianja anatiny, hanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina, dia hanatitra ny fanatiny noho ny ota izy, hoy Jehovah Tompo.

28. Ary hisy lova ho azy, dia Izaho no lovany; ary tsy homenareo zara-tany eo amin'ny Isiraely izy, fa Izaho no anjarany.

29. Ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana no hohaniny; ary ny zavatra rehetra izay voatokana eo amin'ny Isiraely dia ho azy koa.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 44