Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 40:36-48 Malagasy Bible (MG1865)

36. ary ny trano fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany, ary nisy varavarankely teo aminy manodidina, dia dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.

37. Ary nanatrika ny kianja ivelany ny tongo-batony; nisy sarin'ny hazo rofia teo amin'ny tongo-batony andaniny roa; ary ambaratonga valo no fiakarana ao.

38. Ary nisy efi-trano misy varavarana teo anilan'ny tongo-bato teo am-bavahady, izay nanakobahany ny fanatitra dorana.

39. Ary teo amin'ny lavarangan'ny vavahady dia nisy latabatra roa avy tamin'ny lafiny roa hamonoana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana.

40. Ary teo anilany eo ivelany amin'ny fiakarana hiditra eo amin'ny vavahady avaratra dia nisy latabatra roa, ary teo anilany anankiray koa teo amin'ny lavarangan'ny vavahady, dia nisy latabatra roa koa.

41. Nisy latabatra efatra teo amin'ny ilany iray amin'ny vavahady ary latabatra efatra koa teo amin'ny ilany iray, dia latabatra valo izay famonoana.

42. Ary nisy latabatra efatra natao tamin'ny vato voapaika ho amin'ny fanatitra dorana, iray hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany koa ny sakany, ary iray hakiho ny hahavony; teo no nametrahany ny zavatra famonoana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa.

43. Ary nisy fihantonana roa rantsana, vodivoam-pelatanana ny halavany, naorina manodidina eny amin'ny rindrina; ary natao teo ambonin'ny latabatra ny hena fanatitra.

44. Ary teo ivelan'ny vavahady anatiny, teo anilan'ny vavahady avaratra ka manatrika ny atsimo, dia nisy ireo efi-trano ho an'ny mpihira teo amin'ny kianja anatiny, ary nisy iray koa teo anilan'ny vavahady atsinanana ka nanatrika ny avaratra.

45. Ary hoy izy tamiko: Ity efi-trano manatrika ny atsimo ity dia ho an'ny mpisorona izay mitandrina ny anjara-raharahany amin'ny trano.

46. Ary ny efi-trano manatrika ny avaratra kosa dia ho an'ny mpisorona izay mitandrina ny anjara-raharaha ny amin'ny alitara, ireo dia taranak'i Zadoka, izay isan'ny taranak'i Levy, ka manatona an'i Jehovah hanao fanompoam-pivavahana ho Azy.

47. Dia norefesiny ny kianja, ka zato hakiho ny lavany, ary zato hakiho koa ny sakany, dia efa-joro sokera izy; ary ny alitara dia teo anoloan'ny trano.

48. Ary nentiny ho any amin'ny lavarangan'ny trano aho, dia norefesiny ny tongo-batony amin'ny lavarangana fidirana, ka dimy hakiho ny tamin'ny lafiny iray, ary dimy hakiho koa ny tamin'ny lafiny iray, ary ny sakan'ny vavahady dia telo hakiho ny tamin'ny lafiny iray, ary telo hakiho koa ny tamin'ny lafiny iray.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 40