Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 38:5-15 Malagasy Bible (MG1865)

5. miaraka aminy ny Persiana sy ny Etiopiana ary ny Libyana, samy mitondra ampinga lehibe sy fiarovan-doha avokoa,

6. Gomera koa mbamin'ny miaramilany rehetra, ny taranak'i Togarma avy any amin'ny farany avaratra mbamin'ny miaramilany rehetra, dia firenena maro izay miaraka aminao.

7. Miomana, ka mitaova tsara ianao, eny, ianao sy ireo momba anao izay efa mivory ao aminao, ary aoka ianao no ho mpitarika azy.

8. Rehefa afaka andro maro, dia hotadiavina ianao, raha mby any am-parany, dia ho tonga any amin'ny tany izay novonjena ka afaka tamin'ny sabatra ianao, dia tany novorina avy tany amin'ny firenena maro, any an-tendrombohitry ny Isirady, izay efa lao hatry ny ela; fa efa navoaka avy tany amin'ny firenena izy, ka dia mandry fahizay izy rehetra.

9. Eny, hiakatra ianao, ary ho tahaka ny fihavin'ny rivo-doza no hihavianao, ka ho tahaka ny rahona hanarona ny tany dia ianao sy ny miaramilanao rehetra mbamin'ny firenena maro izay miaraka aminao.

10. Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Amin'izany andro izany dia hisy eritreritra hiditra ao an-tsainao, ary hamoron-kevi-dratsy ianao

11. ka hanao hoe: Hiakatra aho hamely ny tany izay misy tanàna tsy mimanda; hankamin'izay mandry fahizay sy mitoetra tsy manana ahiahy aho, samy, monina ao an-tanàna tsy misy manda na hidy na vavahady izy rehetra,

12. mba hamabo sy handroba ary hamely indray izay efa rava, saingy vao misy mponina ankehitriny izao, ary ny firenena izay nangonina avy tany amin'ny jentilisa sady nihary omby sy fananana, dia ireo mitoetra ao amin'ny foiben'ny tany.

13. Sheba sy Dedana ary ny mpandranton'i Tarsisy rehetra mbamin'ireo lionany tanora rehetra dia hanao aminao hoe: Tonga hamabo va ianao? Nangoninao handroba va ireto olonao betsaka ireto, hahalasa volafotsy sy volamena, handroba harena sy fananana ary hahazo babo betsaka?

14. Koa maminania, ry zanak'olona, ka ataovy amin'i Goga hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Moa amin'izany andro hitoeran'ny Isiraely oloko mandry fahizay izany dia tsy ho fantatrao va izany?

15. Ary ho tonga avy any amin'ny fonenanao avy any amin'ny farany avaratra ianao mbamin'ny firenena maro miaraka aminao, izay samy mitaingin-tsoavaly, dia olona maro be sy miaramila betsaka;

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 38