Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 37:16-26 Malagasy Bible (MG1865)

16. Ary ianao, ry zanak'olona, dia mangalà tapa-kazo iray, ka asio soratra hoe: Ho an'ny Joda sy ho an'ny zanak'Isiraely namany; dia mangalà tapa-kazo anankiray koa, ka asio soratra hoe: Ho an'i Josefa dia tapa-kazon'i Efraima sy ho an'ny taranak'Isiraely namany rehetra.

17. Ary ampifanatony izy roa ho tonga tapa-kazo iray ihany, dia ho iray eny an-tananao izy.

18. Ary raha miteny aminao ny zanaky ny firenenao manao hoe: Moa tsy hilaza izay hevitrao amin'izany va ianao?

19. dia ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, Izaho haka ny tapa-kazon'i Josefa, izay eny an-tanan'i Efraima, sy ny firenen'ny Isiraely namany, ary hakambako ho eo amin'ny tapa-kazon'i Joda izy, ary hataoko tapa-kazo iray ihany izy ka ho tonga iray eny an-tanako.

20. Ary ny tapa-kazo izay hasianao soratra dia ho eny an-tananao eo imasony.

21. Dia lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, Izaho haka ny zanak'Isiraely avy any amin'ny jentilisa izay nalehany, eny, hangoniko avy any amin'ny manodidina any izy ka ho entiko ho any amin'ny taniny:

22. ary hataoko ho firenena iray any amin'ny tany izy, dia any an-tendrombohitry ny Isiraely, ary mpanjaka iray ihany no ho mpanjakan'izy rehetra, ka tsy ho firenena roa intsony izy ary tsy hisaraka ho fanjakana roa intsony.

23. Ary tsy handoto tena amin'ny sampiny, na amin'ny fahavetavetany, na amin'ny fahadisoany intsony izy; fa hovonjeko ho afaka amin'ny fonenany rehetra izay nanotany izy, ary hodioviko izy, ka dia ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.

24. Ary Davida Mpanompoko no ho Mpanjakany; ary hiray Mpiandry izy rehetra, dia handeha araka ny fitsipiko izy sady hitandrina ny lalàko sy hankatò izany.

25. Ary honina any amin'ny tany izay nomeko an'i Jakoba mpanompoko izy, dia ilay efa nonenan'ny razanareo, ka honina any izy sy ny zanany mbamin'ny zafiny mandrakizay; ary Davida mpanompoko no ho Mpanapaka azy mandrakizay.

26. Ary hanao fanekem-pihavanana ho azy Aho, ka ho fanekena mandrakizay eo aminy any, ary hametraka sy hahamaro azy Aho sady hametraka ny fitoerako masina eo aminy mandrakizay.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 37