Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 33:21-33 Malagasy Bible (MG1865)

21. Ary nony tamin'ny andro fahadimy tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo taorian'ny namaboana antsika, dia nisy olona efa nandositra avy tany Jerosalema tonga tao amiko ka nanao hoe: Afaka ny tanàna.

22. Dia efa tonga tamiko ny tànan'i Jehovah tamin'ny omaly harivan'ny andro nahatongavan'ilay nandositra izay tonga tao amiko, ka nosokafany ny vavako mandra-pahatongan'ilay nandositra, izay tonga tao amiko nony maraina; dia efa nisokatra ny vavako, ka tsy moana intsony aho.

23. Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

24. Ry zanak'olona, ny monina amin'ireny rava amin'ny tanin'ny Isiraely ireny dia manao hoe: Ireny ihany Abrahama, nefa nandova ny tany izy, fa isika kosa dia maro, ary omena antsika ny tany ho lovantsika

25. Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Homan-javatra misy rà sady miandrandra ny sampinareo ianareo ary mandatsa-drà, moa hahazo handova ny tany va ianareo?

26. Mitoky amin'ny sabatrareo ianareo sady manao fahavetavetana, ka samy mandoto ny vadin'ny namany avy; koa hahazo handova ny tany va ianareo?

27. Izao no holazainao aminy: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha velona koa Aho, dia tsy maintsy ho lavon'ny sabatra izay ao amin'ny tanàna rava, ary izay any an-tsaha dia homeko ho rembin'ny bibi-dia, ary izay ao amin'ny harambato sy amin'ny lava-tany dia ho fatin'ny areti-mandringana.

28. Fa hataoko rava sy lao ny tany, ary hitsahatra ny fiavonavonan'ny heriny; ho lao ny tendrombohitry ny Isiraely, ka tsy hisy mpandia azy.

29. Dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, raha hataoko rava sy lao ny tany noho ny fahavetavetana nataony.

30. Ary ianao, ry zanak'olona, ny zanaky ny firenenao dia miresaka anao eny am-bodirindrina sy eo am-baravaran'ny tranony, ka samy manao amin'ny rahalahiny hoe: Andeha isika, ary aoka handre izay teny avy amin'i Jehovah.

31. Dia mankao aminao tahaka ny fihavin'ny olona izy ka mipetraka eo anatrehanao toa oloko ary mahare ny teninao, nefa tsy mety mankatò azy; fa, indro, teny mamy no lazain'ny vavany, nefa ny fony dia lasa manaraka ny filan-karena.

32. Koa, indro, ianao dia ataony ho tahaka ny mpanao hira mahafinaritra, izay tsara feo sady mahay mitendry; fa mandre ny teninao izy, nefa tsy mety mankatò azy.

33. Ary nony tanteraka izany (indro, efa ho tanteraka ihany), dia ho fantany fa efa nisy mpaminany tokoa tao aminy.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 33