Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 28:2-18 Malagasy Bible (MG1865)

2. Ry zanak'olona, lazao amin'ny mpanjakan'i Tyro hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Satria miavonavona ny fonao. ka hoy ianao: Mba Andriamanitra koa aho; eto amin'ny anankiray amin'ny fipetrahan'Andriamanitra no ipetrahako, dia eto ampovoan'ny ranomasina. Nefa olona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsinona, Na dia nataonao toy ny fon'Andriamanitra aza ny fonao,

3. Hay! hendry noho Daniela ianao! Tsy misy zava-miafina azo afenina anao izany!

4. Ny fahendrenao sy ny fahalalanao no nahazoanao haren. Eny, izany no nahazoanao volamena sy volafotsy ho ao amin'ny rakitrao

5. Ny haben'ny fahendrenao tamin'ny varotrao no nampitomboanao ny harenao, ka dia miavonavona ny fonao noho ny harenao;

6. Koa, indro, izao no lazain'i Jehovah Tompo: Satria efa nataonao ho toy ny fon'Andriamanitra ny fonao,

7. Dia, indro, hitondra olona hafa firenena Aho hamely anao, dia izay masiaka indrindra amin'ny firenena, Ka hotsoahany ny sabany hamelezany ny fahendrenao tsara, ary hataony matroka ny famirapiratanao

8. Havariny ho any an-davaka ianao, ka ho faty toy ny fahafatesan'izay voatrabaka ao amin'ny ranomasina.

9. Moa mbola hitompo teny fantatra va ianao eo imason'izay mamono anao hoe mba Andriamanitra koa aho? Nefa olona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsinona, raha mby eo an-tànan'izay manatrabaka anao

10. Tahaka ny fahafatesan'ny tsy voafora no hahafatesan'ny fahavalo anao; Fa Izaho no niteny izany, hoy Jehovah Tompo.

11. Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

12. Ry zanak'olona, manaova hira fahalahelovana ny amin'ny mpanjakan'i Tyro, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ry ilay mahatanteraka ny rafitra tsara tarehy tonga marika sady feno fahendrena no tena tsara tarehy,

13. Tany Edena, sahan'Andriamanitra, ianao; Ny vato soa rehetra ny eloelo teo amboninao, dia ny karneola, ny topaza, ny onyksa, ny krysolita, ny beryla, ny jaspy, ny safira, ny robina, ny emeralda ary ny volamena; Ny fampanenoana ny ampongatapakao sy ny sodinao dia tao aminao, tamin'ny andro namoronana anao dia natao koa ireo.

14. Hianao dia kerobima voahosotra izay manaloka, fa voatendriko ianao; Tao an-tendrombohitra masin'Andriamanitra ianao; Tao amin'ny vato mirehitra no nitsangantsangananao.

15. Tsy nanan-tsiny ianao tamin'ny nalehanao hatramin'ny andro namoronana anao ka mandra-pahita heloka tao aminao.

16. Noho ny habetsahan'ny varotra nataonao dia nofenoina loza tao aminao, ka nanota ianao; Ary dia nolotoiko ka nariako niala tamin'ny tendrombohitr'Andriamanitra ianao, Ary nosimbako ianao, ry kerobima manaloka, hiala tao amin'ny vato mirehitra.

17. Niavonavona ny fonao noho ny hatsaran-tarehinao; Efa nahasimba ny fahendrenao mbamin'ny famirapiratanao ianao; Nazerako eny an-tany ianao sady natolotro ho fitalanjonan'ireo mpanjaka,

18. Noho ny haben'ny helokao tamin'ny tsi-fahamarinan'ny varotrao, dia voalotonao ny fitoeranao masina; Koa izany no hamoahako afo avy ao aminao handevona anao, ary hataoko tonga lavenona eny ambonin'ny tany ianao eo imason'izay rehetra mijery anao.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 28