Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 27:17-31 Malagasy Bible (MG1865)

17. Joda sy ny tanin'ny Isiraely no mpandranto nankany aminao, ka vary tritika avy tany Minita sy zava-mamy sy tantely sy diloilo ary balsama no natakalony ny varotrao.

18. Damaskosy no mpandranto nankany aminao noho ny habetsahan'ny taozavatrao, dia ny haben'ny harenao rehetra, ka nitondra divay avy any Helbona sy volon'ondry fotsy izy.

19. Vedana koa sy Javana avy any Ozala dia nitondra vy voatefy natakalo ny entanao; Kasia sy veromanitra no natakalony ny varotrao.

20. Dedana no mpandranto nankany aminao, nitondra lamba fanao lamban-tsoavaly.

21. Arabia sy ireo andriandahin'i Kedara rehetra no nandranto tany aminao, ka zanak'ondry sy ondrilahy ary osilahy no nentiny natao varotra tao aminao.

22. Ny mpandranto avy any Sheba sy Rama no mpandranto nankany aminao, Ka zava-manitra tsara indrindra sy vato soa samy hafa karazana ary volamena no nentiny natakalo ny entanao.

23. Harana sy Kane ary Edena sy mpandranto avy any Sheba sy Asyria ary Kilmada no mpandranto nankany aminao.

24. Ireo no mpandranto nankany aminao nitondra ny fitafiana marevaka rehetra, dia kapôty manga sy samy hafa soratra ary vata sedera mifehy misy fitafiana soa no natakalony ny varotrao.

25. Ny sambon'i Tarsisy no mpitondra ny entanao, dia feno sady be voninahitra ianao teo amin'ny ranomasina.

26. Nentin'ny mpivoinao teny amin'ny rano be ianao, dia nahavaky anao tao amin'ny ranomasina ny rivotra avy any atsinanana.

27. Ny harenao sy ny vidin'entanao, ny varotrao, ny matilonao sy ny mpitondra sambonao, ny mpanentsin-tsambonao sy ny mpividy ny entanao ary ny miaramilanao rehetra izay tao aminao mbamin'ny olona betsaka tafangona tao aminao dia nilentika tao amin'ny ranomasina tamin'ny andro nandravana anao.

28. Noho ny fidradradradran'ny mpitondra sambonao dia mihorohoro ny tany manodidina.

29. Ary samy midina miala amin'ny sambony ny mpivoy rehetra sy ny matilo ary ny mpitondra sambo rehetra eny an-dranomasina ka mijanòna eny an-tanety;

30. Ary manandratra ny feony noho ny nanjo anao izy ka midradradradra mafy sady manopy vovoka hiraraka amin'ny lohany ary mihosinkosin-davenona;

31. Ary mibory loha avokoa izy noho ny aminao sy misikina lamba fisaonana ary mitomany anao amin'ny fangidiam-panahy izy, dia fisaonana mafy.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 27