Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 23:26-31 Malagasy Bible (MG1865)

26. Ary hendahany ny lambanao, sady hesoriny aminao ny firavakao soa.

27. Ary hatsahatro ny fahavetavetanao, dia ny fijangajanganao izay fanaonao hatrany amin'ny tany Egypta, fa tsy ihandrandrainao aminy intsony ny masonao, sady tsy; hotsarovanao intsony Egypta.

28. Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hatolotro eo an-tànan'izay halanao ianao, dia eo an-tanan'izay efa niombotan'ny fanahinao;

29. ary hamely anao amin'ny fankahalana izy, ka hesoriny ny vokatry ny asanao, dia hilaozany mitanjaka sy mihanjahanja ianao, ary hiseho ny fitanjahan'ny fijangajanganao, dia ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao.

30. Havo aminao izany zavatra izany noho ny nijangajanganao nanaraka ny jentilisa sy noho ny nandotoanao tena tamin'ny sampiny.

31. Tamin'ny nalehan'ny rahavavinao no nalehanao koa, ka dia hataoko eo an-tananao ny kapoakany.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 23