Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 22:15-26 Malagasy Bible (MG1865)

15. Ary haeliko ho any amin'ny jentilisa sy hahahako ho any amin'ny tany samy hafa ianao, ary holevoniko ho afaka aminao mihitsy ny fahalotoanao.

16. Ary dia ho hitan'ny jentilisa fa ny nataonao ihany no nahaloto anao; ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.

17. Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah anao hoe:

18. Ry zanak'olona, ny taranak'Isiraely dia efa tonga tain-drendrika amiko; izy rehetra dia varahina sy vifotsy sy vy ary firaka ao anatin'ny memy; eny, efa tonga taim-bolafotsy izy.

19. Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nahatongavanareo rehetra ho tain-drendrika, dia, indro, hangoniko ho ao Jerosalema ianareo.

20. Toy ny anangonana volafotsy sy varahina sy vy sy firaka ary vifotsy ho ao anatin'ny memy ka misy mifofotra azy amin'ny afo ho rendrika, dia toy izany no hanangonako anareo amin'ny fahatezerako sy ny fahavinirako, ary hataoko ao ianareo ka ho voarendrika;

21. eny, nangoniko ianareo, dia hifofotra anareo amin'ny afon'ny fahatezerako Aho, ka ho voarendrika ao anatiny ianareo.

22. Toy ny andrendrika volafotsy ao anatin'ny memy no handrendrehana anareo ao anatiny; ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no nampidina ny fahatezerako aminareo.

23. Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

24. Ry zanak'olona, lazao aminy hoe: Hianao no tany tsy hazavain'ny hainandro sady tsy ilatsahan'ny ranonorana amin'ny andro fahatezerana.

25. Mikomy ny mpaminany ao aminy; tahaka ny liona mierona mamiravira haza izy; mihinana olona izy sady mahalasa ny harena sy ny zava-tsoa ary mahamaro ny mpitondratena ao aminy.

26. Ny mpisorona dia mandika ny lalàko sy mandoto ny zavatra masina; tsy manavaka ny masina sy ny tsy masina izy, na mampiseho ny tsi-fitovian'ny maloto sy ny madio, ary mitampi-maso tsy hijery ny Sabatako izy, ary tsiratsiraina ao aminy Aho.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 22