Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 20:15-32 Malagasy Bible (MG1865)

15. Ary Izaho dia nanangan-tanana taminy tany an-efitra koa fa tsy hitondra azy ho any amin'ny tany efa nomeko azy, izay tondra-dronono sy tantely sady tena endriky ny tany rehetra,

16. satria efa nanamavo ny fitsipiko izy ary tsy nandeha araka ny didiko, fa nandoto ny Sabatako; fa ny fony dia nanaraka ny sampiny.

17. Nefa niantra azy ihany ny masoko, ka dia tsy naringako na nolevoniko tany an-efitra izy.

18. Fa hoy Izaho tamin'ny zanany tany an-efitra: Aza mandeha araka ny fanaon-drazanareo ianareo, na mitandrina ny fitsipiny, na mandoto tena amin'ny sampiny;

19. fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo; koa mandehana araka ny didiko, ary mitandrema ny fitsipiko, ka araho izany.

20. Ary manamasina sy Sabatako, mba ho famantarana ho amiko sy ho aminareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.

21. Kanjo niodina tamiko koa ny zanany: tsy nandeha araka ny didiko izy, na nitandrina hanaraka ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany, fa nandoto ny Sabatako izy, ka dia hoy Izaho: Haidiko aminy ny fahavinirako. ary hotanterahiko aminy any an-efitra ny fahatezerato.

22. Nefa nampihemotra ny tanako Aho, ka dia niasa noho ny amin'ny anarako, mba tsy ho voaloto izany eo anatrehan'ny jentilisa izay nahita ny nitondrako azy nivoaka.

23. Dia nanangan-tanana taminy tany an'efitra, indray Aho, hampiely azy any amin'ny jentilisa sy hampihahaka azy any amin'ny tany samy hafa,

24. satria tsy nanaraka ny fitsipiko izy, fa nanamavo ny didiko sy nandoto ny Sabatako, ary ny masony nanaraka ny sampin'ny razany.

25. Ary nomeko didy tsy tsara koa izy sy fitsipika izay tsy mahavelona Azy.

26. Dia nandoto azy tamin'ny fanatiny Aho, dia tamin'ny nampandehanany ny voalohan-teraka rehetra hamaky ny afo, hampahatalanjonako azy, mba hahafantarany fa Izaho no Jehovah.

27. Koa mitenena amin'ny taranak'Isiraely, ry zanak'olona, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tamin'izao no mbola nanamavoan'ny razanareo Ahy tamin'ny nivadihany tamiko:

28. Nony nitondra azy ho any amin'ny tany izay nananganako tanana homena azy Aho, dia nahita ny havoana andrandraina rehetra sy ny hazo misandrahaka rehetra izy, ka tao no namonoany zavatra hatao fanatitra, ary tao koa no nametrahany ny fanatiny mahatezitra; tao koa no nanaterany hanitra ankasitrahana, ary tao no nanidinany ny fanatitra aidiny.

29. Ka dia hoy Izaho taminy: Ahoana moa ny amin'ny fitoerana avo alehanareo ? Ka dia fitoerana avo no natao anarany mandraka androany.

30. Koa ataovy amin'ny taranak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Moa mandoto tena araka ny fanaon'ny razanareo va ianareo, sy mijangajanga manaraka ny fahavetavetany va,

31. ary mandoto tena amin'ny sampinareo rehetra mandraka androany va ianareo amin'ny anateranareo ny fanomezanareo sy ny ampandehananareo ny zanakareo hamaky ny afo? Ary Izaho va hety hanontanianareo, ry taranak'Isiraely? Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, tsy hety hanontanianareo mihitsy Aho.

32. Ary tsy ho tanteraka mihitsy ny eritreritry ny fanahinareo hoe: Ho tahaka ny jentilisa izahay, dia tahaka ny firenena amin'ny tany samy hafa, ka hanao fanompoam-pivavahana ho an'ny vato aman-kazo.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 20