Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 18:19-26 Malagasy Bible (MG1865)

19. Nefa, hoy ianareo: Nahoana moa ny zanaka no tsy mba hitondra ny helo-drainy? Raha ny zanaka manao izay marina sy mahitsy sy mitandrina ny didiko rehetra ka mankatò azy, dia ho velona tokoa izy.

20. Ny fanahy izay manota no ho faty. Ny zanaka tsy mba hitondra ny heloky ny rainy, ary ny ray tsy mba hitondra ny heloky ny zanany; ny fahamarinan'ny marina ho aminy ihany ary ny faharatsian'ny ratsy fanahy kosa ho aminy ihany.

21. Fa raha ny ratsy fanahy miala amin'ny fahotana rehetra izay nataony ka mitandrina ny didiko rehetra ary manao izay marina sy mahitsy, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty.

22. Ny fahadisoany rehetra izay nataony tsy hotsarovana aminy intsony; ho velona izy noho ny fahamarinana izay nataony.

23. Moa sitrako akory va ny fahafatesan'ny ratsy fanahy, hoy Jehovah Tompo, fa tsy ny hialany amin'ny alehany mba ho velona izy ?

24. Fa raha ny marina no miala amin'ny fahamarinany ka manao meloka ary manaraka ny fahavetavetana rehetra izay nataon'ny ratsy fanahy, ho velona va izy? Ny fahamarinany rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana; noho ny fahadisoana izay nandisoany sy ny fahotana izay nanotany dia ho faty izy.

25. Nefa hoy ianareo: Tsy marina ny fitondran'ny Tompo. Mihainoa ange, ry taranak'Isiraely: Moa ny fitondrako va no tsy marina ? Tsy ny fitondranareo va no tsy marina?

26. Raha ny marina miala amin'ny fahamarinany ary manao meloka ka maty amin'izany, dia maty noho ny heloka nataony ihany izy.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 18