Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 10:15-22 Malagasy Bible (MG1865)

15. Ary niakatra ny kerobima. Izany dia ilay zava-manan'aina hitako teo amoron'ny ony Kebara ihany.

16. Ary raha nandeha ny kerobima, dia mba nandeha teo anilany koa ny kodia; ary raha nasandratry ny kerobima ny elany hiainga tsy hipaka amin'ny tany, dia tsy nisaraka taminy koa ny kodia.

17. Raha nijanona izy, dia mba nijanona koa ireo, ary raha niainga izy, dia mba niainga koa ireo: fa ny fanahin'ny zava-manan'aina no tao aminy.

18. Dia niala avy teo ambonin'ny tokonambaravaran'ny trano ny voninahitr'i Jehovah ka nijanona teo ambonin'ny kerobima.

19. Ary nasandratry ny kerobima ny elany, ka niainga tsy nipaka tamin'ny tany teo imasoko izy, raha nivoaka, ary teo anilany ny kodia ary samy nijanona teo anoloan'ny vavahady atsinanana amin'ny tranon'i Jehovah izy ireo; ary ny voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely no teo amboniny.

20. Izany dia ilay zava-manan'aina hitako teo ambanin'Andriamanitry ny Isiraely teo amoron'ny ony Kebara; ary fantatro fa kerobima ireo.

21. Samy nanana tarehy efatra avy izy, sady samy nanana elatra efatra avy koa; ary nisy nitarehin-tànan'olona teo ambanin'ny elany.

22. Ary ny endriky ny tarehiny dia nitovy tamin'ilay efa hitako teo amoron'ny ony Kebara ihany, dia ny endriny sy ny tenany; ary ny hitsin'ny tavany no nalehany.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 10