Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Estera 1:9-21 Malagasy Bible (MG1865)

9. Ary Vasty, vadin'ny mpanjaka, dia mba nanao fanasana ho an'ny vehivavy koa tao amin'ny tranom-panjakana, izay an'i Ahasoerosy mpanjaka.

10. Ary tamin'ny andro fahafito, nony faly ny fon'ny mpanjaka azon'ny divay, dia nomeny teny Mehomana sy Bizta sy Harbona sy Bigta sy Abagta sy Zetara ry Karkasa, tsindranolahy fito izay nanompo teo anatrehan'i Ahasoerosy mpanjaka,

11. ba hitondra an'i Vasty, vadin'ny mpanjaka, ho eo anatrehan'ny mpanjaka, misatroka ny satro-boninahitry ny fanjakana, mba haseho amin'ny olona sy ny mpanapaka ny hatsaran-tarehiny; fa maha-te-hizaha izy.

12. Fa Vasty, vadin'ny mpanjaka, nandà ny tenin'ny mpanjaka nentin'ny tsindranolahy ka tsy nety nankany. Dia tezitra loatra ny mpanjaka, ka nirehitra tao am-pony ny fahatezerany.

13. Dia hoy ny mpanjaka tamin'ny olon-kendry izay mpanandro (toy izany no nanaovana ny raharahan'ny mpanjaka teo anatrehan'izay rehetra nahalala lalàna sy fitsarana;

14. ary ny teo akaikiny dia Rarsena, Setara, Admata, Tarsisy, Maresa, Marsena, Memokana, mpanapaka fito tamin'i Persia sy Media, izay nahita ny tarehin'ny mpanjaka ka nipetraka tamin'ny fitoerana aloha teo amin'ny fanjakana):

15. Ahoana no hanaovana an'i Vasty, vadin'ny mpanjaka, raha araka ny lalàna, satria tsy nankato ny didiko, izaho Ahasoerosy mpanjaka, nentin'ny tsindranolahy izy?

16. Dia namaly Memokana teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanapaka ka nanao hoe: Tsy tamin'ny mpanjaka ihany no nanaovan'i Vasty, vadin'ny mpanjaka, izao ratsy izao, fa tamin'ny mpanapaka rehetra koa sy ny vahoaka rehetra isan-tokony eran'ny fanjakan'i Ahasoerosy mpanjaka;

17. fa hiely any amin'ny vehivavy rehetra izao zavatra nataon'ny vadin'ny mpanjaka izao, ka hanaovany ny vadiny ho tsinontsinona eo imasony, fa samy hanao hoe: Ahasoerosy mpanjaka aza nandidy an'i Vasty vadiny ho entina eo anatrehany, nefa tsy nety izy.

18. Ary na dia amin'izao andro izao aza ny andriambavin'i Persia sy Media, izay mandre ny nataon'ny vadin'ny mpanjaka, dia samy hilaza izany amin'ny mpanapaka rehetra voatendrin'ny mpanjaka; ka dia ho loza loatra ny famingavingana sy ny faniratsirana.

19. Koa raha sitraky ny mpanjaka, dia aoka hisy didim-panjakana hivoaka avy eto amin'ny mpanjaka ka hosoratana ao amin'ny lalàn'i Persia sy Media ka dia tsy hovana, fa tsy hahazo hankeo anatrehan'i Ahasoerosy mpanjaka intsony Vasty; ary ny voninahitr'i Vasty dia aoka homen'ny mpanjaka ho an'izay vehivavy hafa tsara noho izy.

20. Ary raha torina eran'ny fanjakany rehetra (fa lehibe izany) ny lalàn'ny mpanjaka izay hataony, dia samy hanome voninahitra ny vadiny avy na lehibe na kely, ny vehivavy rehetra.

21. Dia sitraky ny mpanjaka sy ny mpanapaka izany teny izany; ka dia nanao araka ny tenin'i Memokana ny mpanjaka,

Vakio ny toko manontolo Estera 1