Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Estera 1:1-11 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary tamin'ny andro nanjakan'i Ahasoerosy (ity Ahasoerosy ity ilay nanjaka hatrany India ka hatrany Etiopia, ka nizarazara ho fito amby roa-polo amby zato toko ny fanjakany),

2. dia tamin'izany andro izany, raha nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianan'ny fanjakany, izay tany Sosana renivohitra, Ahasoerosy mpanjaka,

3. tamin'ny taona fahatelo nanjakany, dia nanao fanasana ho an'ny mpanapaka sy ny mpanompony rehetra izy; ary teo anatrehany koa ny lehiben'ny miaramilan'i Persia sy Media sy ny mpanapaka mbamin'ireo komandin'ny isan-tokony amin'ny fanjakany;

4. ary nasehony andro maro, dia valo-polo amby zato andro, ny harena amam-boninahitry ny fanjakany ary ny tabiha sy rehareha momba ny fahalehibiazany.

5. Ary rehefa tapitra izany andro izany, ny olona rehetra izay tany Sosana renivohitra, na lehibe na kely, dia nanaovan'ny mpanjaka fanasana naharitra hafitoana teo amin'ny kianjan'ny tanimbolin'ny tranon'ny mpanjaka;

6. ary nisy lamba fotsy sy misoratsoratra sy manga nifehy tamin'ny kofehy rongony fotsy sy volomparasy tamin'ny masom-bolafotsy sy tsangantsangany vato marmora fotsy; ary nisy farafara volamena sy volafotsy teo amin'ny lampivato alabastara sy marmora fotsy sy hara ary marmora mainty.

7. Ary ny olona dia nampisotroina tamin'ny kapoaka volamena (samy hafa avokoa ny kapoaka,) ary betsaka ny divain'andriana araka ny fanomen'ny mpanjaka.

8. Ary ny nisotroan'ny olona dia araka ny tenin'andriana, ka tsy nisy nanery; fa toy izany no nandidian'ny mpanjaka ny mpitandrina ny tranony rehetra mba hanaovan'ny olona araka izay sitrapony avy.

9. Ary Vasty, vadin'ny mpanjaka, dia mba nanao fanasana ho an'ny vehivavy koa tao amin'ny tranom-panjakana, izay an'i Ahasoerosy mpanjaka.

10. Ary tamin'ny andro fahafito, nony faly ny fon'ny mpanjaka azon'ny divay, dia nomeny teny Mehomana sy Bizta sy Harbona sy Bigta sy Abagta sy Zetara ry Karkasa, tsindranolahy fito izay nanompo teo anatrehan'i Ahasoerosy mpanjaka,

11. ba hitondra an'i Vasty, vadin'ny mpanjaka, ho eo anatrehan'ny mpanjaka, misatroka ny satro-boninahitry ny fanjakana, mba haseho amin'ny olona sy ny mpanapaka ny hatsaran-tarehiny; fa maha-te-hizaha izy.

Vakio ny toko manontolo Estera 1