Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Eksodosy 9:7-17 Malagasy Bible (MG1865)

7. Dia naniraka Farao, ka, indro, tsy mba nisy maty ny bibin'ny Zanak'Isiraely na dia iray akory aza, nefa nihamafy ny fon'i Farao, ka tsy nandefa ny olona izy.

8. Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy sy Arona: Mangalà lavenona amin'ny tananao ao amin'ny lafaoro lehibe, ary aoka hatopin'i Mosesy miakatra manandrify ny lanitra eo imason'i Farao izany.

9. Dia hitora-jofo eran'ny tany Egypta rehetra izany ka ho tonga vay mipoipoitra amin'ny olona sy amin'ny biby fiompy eran'ny tany Egypta rehetra.

10. Dia naka lavenona tamin'ny lafaoro lehibe izy roa lahy ka nitsangana teo anatrehan'i Farao; dia natopin'i Mosesy niakatra nanandrify ny lanitra izany, ka dia tonga vay nipoipoitra tamin'ny olona sy tamin'ny biby fiompy.

11. Ary ny ombiasy tsy nahajanona teo anatrehan'i Mosesy noho ny vay; fa ny vay dia nahazo ny ombiasy mbamin'ny Egyptiana rehetra.

12. Nefa Jehovah dia nanamafy ny fon'i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, dia araka izay efa nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy.

13. Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mifohaza maraina koa ianao dia mitsangana eo anatrehan'i Farao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Alefaso ny oloko hanompo Ahy

14. Fa ankehitriny izao dia halefako ny areti-mandringana rehetra avy atỳ amiko hamely ny fonao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka Ahy amin'ny tany rehetra.

15. Fa ankehitriny, raha izay Aho no naninjitra ny tanako hamely anao sy ny vahoakanao amin'ny areti-mandringana, dia efa fongotra tamin'ny tany ianao.

16. Kanefa izao indrindra no nampaharetako anao, dia ny hampahita anao ny heriko mba hambara any amin'ny tany rehetra ny anarako.

17. Mbola mirehareha amin'ny oloko ihany va ianao ka tsy handefa azy?

Vakio ny toko manontolo Eksodosy 9