Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Eksodosy 32:1-15 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary rehefa hitan'ny olona fa efa ela ka tsy mbola nidina avy tao an-tendrombohitra ihany Mosesy, dia niangona ho eo amin'i Arona izy ka nanao taminy hoe: Mitsangana, ka anaovy andriamanitra izahay, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay lehilahy nitondra antsika niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy,

2. Ary hoy Arona taminy: Romboty ary ny kavim-bolamena, izay eny amin'ny sofin'ny vadinareo sy ny zanakareo-lahy ary ny zanakareo-vavy, ka ento etỳ amiko.

3. Ary ny olona rehetra dia nandrombotra ny kavim-bolamena izay teny amin'ny sofiny ka nitondra azy ho eo amin'i Arona.

4. Ary izy nandray azy tamin'ny tanan'ny olona, dia namboatra azy tamin'ny fandraka ka nanao azy ho ombilahy kely anidina; dia niteny ny olona ka nanao hoe: Io no andriamanitrao, ry Isiraely, izay nitondra anao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta.

5. Ary raha hitan'i Arona izany, dia nanao alitara teo anoloany izy; ary dia niantso Arona ka nanao hoe: Andro firavoravoana ho an'i Jehovah rahampitso.

6. Dia nifoha maraina koa ny olona ka nanatitra fanatitra dorana sy nitondra fanati-pihavanana; ary nipetraka hihinana sy hisotro ny olona, dia nitsangana hilalao.

7. Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ma­ndehana midina ianao; fa efa nanao ratsy ny olonao izay nentinao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta.

8. Nalaky nivily niala tamin'ny lalàna izay nasaiko nalehany izy ka efa nanao ombilahy kely anidina ho azy; ary efa niankohoka teo anatrehany sy namono zavatra hatao fanatitra taminy izy ka nanao hoe: Io no andriamanitrao, ry Isiraely, izay nitondra anao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta.

9. Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Efa hitako io firenena io, fa, indro, firenena mafy hatoka izy.

10. Koa ankehitriny avelao hirehitra aminy ny fahatezerako, ka haringako izy; fa hahatonga anao ho firenena lehibe Aho.

11. Fa Mosesy nifona tamin'i Jehovah Andriamaniny ka nanao hoe: Jehovah ô, na­hoana ny fahatezeranao no mirehitra amin'ny olonao, izay nentinao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta tamin'ny hery lehibe sy ny tanana mahery?

12. Nahoana ny Egyptiana no avela hilaza hoe: Mba hahita loza no nitondrany ireny nivoaka, hamonoany azy eny an-tendrombohitra sy handringanany azy tsy ho ambonin'ny tany? Mialà amin'ny fahatezeranao mirehitra, ka manenena ny amin'ny loza izay hanjo ny olonao.

13. Tsaro­vy Abrahama sy Isaka ary Isiraely mpanomponao, izay nianiananao tamin'ny tenanao sy nilazanao hoe: Hahamaro ny taranakareo Aho ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra; ary izany tany rehetra nolazaiko izany dia homeko ny taranakareo, ary izy handova izany mandrakizay.

14. Ary Jehovah dia nanenina ny amin'ny loza izay nokasainy hamelezana ny olony.

15. Ary Mosesy nihodina ka nidina avy tao an-tendrombohitra, nitondra ny vato fisaka roa nisy ny Vavolombelona teny an-tànany; ny vato fisaka nosoratana teo amin'ny lafiny roa: dia teo anatrehany sy teo ambadika no nisy ny soratra.

Vakio ny toko manontolo Eksodosy 32