Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Eksodosy 28:1-7 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary asaovy manatona anao Arona rahalahinao mbamin'ny zanany, avy amin'ny Zanak'Isiraely, mba ho mpisorona ho Ahy izy, dia Arona mbamin'i Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara, zanak'i Arona.

2. Ary manaova fitafiana masina ho an'i Arona rahalahinao ho voninahitra sy ho fahatsaran-tarehy.

3. Ary mitenena amin'izay hendry fo, izay nofenoiko fanahim-pahendrena, mba hanao ny fitafian'i Arona hanamasinana azy ho mpisorona ho Ahy.

4. Ary izao no fitafiana izay hataony: saron-tratra sy efoda sy akanjo ivelany sy akanjo lava tenom-boaroy sy hamama ary fehin-kibo; dia hanao fitafiana masina ho an'i Arona rahalahinao izy, sy ho an'ny zanany, mba ho mpisorona ho Ahy izy.

5. Ary aoka haka ny volamena sy ny manga sy ny volomparasy sy ny mena ary ny rongony fotsy madinika izy.

6. Dia aoka izy hanao ny efoda amin'ny volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan'ny mpanenona mahay.

7. Aoka hisy soroka roa avy amin'ny sisiny roa hampikambana azy.

Vakio ny toko manontolo Eksodosy 28