Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Eksodosy 22:25-30 Malagasy Bible (MG1865)

25. Raha maka ny lamban'ny namanao ho tsatòka ianao, dia hampodinao aminy izany, raha mbola tsy milentika ny masoandro.

26. Fa izany ihany no firakofany sady fitafiany amin'ny hodiny, ka inona no ho entiny mandry? ary raha mitaraina amiko izy, dia hohenoiko, fa mamindra fo Aho.

27. Aza miteny ratsy an'Andriamanitra ianao, na manozona ny mpanapaka ny firenenao.

28. Aza atao ela vao manatitra ny santatry ny vokatrao sy ny fisotronao; ny matoa amin'ny zanakao-lahy dia omeo Ahy.

29. Izao no hataonao amin'ny ombinao sy ny ondry aman'osinao; hafitoana no hitoerany ao amin'ny reniny; ary amin'ny andro fahavalo no hanateranao azy ho Ahy.

30. Ary ho olona masina ho Ahy ianareo, koa izay hena voaviraviram-biby any an-tsaha dia tsy hohaninareo; fa harianareo ho an'ny amboa izany.

Vakio ny toko manontolo Eksodosy 22