Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Eksodosy 16:23-36 Malagasy Bible (MG1865)

23. Ary hoy Mosesy taminy: Izao no lazain'i Jehovah: Rahampitso dia tena andro fitsaharana masina ho an'i Jehovah; koa manendasa izay hendasinareo, ary mahandroa izay handrahoinareo, ary izay sisa rehetra dia avelao ho anareo, hotehirizina ho tra-maraina.

24. Dia namela izany ho tra-maraina izy, araka izay nandidian'i Mosesy; ary tsy mba maimbo na niteraka olitra izany.

25. Ary hoy Mosesy: Hano ireny anio, fa Sabata ho an'i Jehovah anio, ka anio no tsy hahitanareo azy any an-tsaha.

26. Henemana no hanangonanareo azy; fa Sabata ny andro fahafito, ka dia tsy hisy amin'izany.

27. Ary nony tamin'ny andro fahafito dia nisy olona nivoaka hanangona, fa tsy nahita na dia kely akory aza.

28. Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hitandrina ny didiko sy ny lalàko?

29. Saino fa Jehovah no nanome anareo ny Sabata, koa izany no anomezany anareo mofo ampy ho indroa andro amin'ny andro fahenina; samia mitoetra eo amin'ny fitoerany avy ianareo, ka aoka tsy hisy hiala amin'ny fitoerany amin'ny andro fahafito.

30. Dia nitsahatra ny olona tamin'ny andro fahafito.

31. Ary ny anarany dia nataon'ny taranak'Isiraely hoe Mana; ary tahaka ny voan-drafy izy sady fotsy; ary ny fanandramana azy dia tahaka ny mofo misy tantely.

32. Ary hoy Mosesy: Izao no teny izay nandidian'i Jehovah: Analao eran'ny vata omera izy hotehirizina hatramin'ny taranakareo fara mandimby, mba ho hitany ny mofo izay nampihinaniko anareo tany an-efitra, raha nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta Aho.

33. Ary hoy Mosesy tamin'i Arona: Makà vilany, ka asio mana eran'ny vata omera eo anatiny, dia apetraho eo anatrehan'i Jehovah mba hotehirizina hatramin'ny taranakareo fara mandimby.

34. Ary araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nametrahan'i Arona izany teo anatrehan'ny Vavolombelona mba hotehirizina.

35. Ary ny Zanak'Isiraely nihinana mana mandritra ny efa-polo taona mandra-pahatongany tany amin'izay tany misy monina: eny, mana no nohaniny mandra-pahatongany tany amin'ny sisin'ny tany Kanana.

36. Ary ny omera dia ampahalofon'ny vata efaha.

Vakio ny toko manontolo Eksodosy 16