Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Eksodosy 11:4-10 Malagasy Bible (MG1865)

4. Ary hoy Mosesy: Izao no lazain'i Jehovah: Rehefa tokony ho mamatonalina Izaho hivoaka hankeo afovoan'i Egypta,

5. dia ho faty ny lahimatoa rehetra eto amin'ny tany Egypta, hatramin'ny matoan'i Farao izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianany ka hatramin'ny matoan'ny ankizivaviny izay eo anilan'ny fikosoham-bary, ary ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.

6. Ary hisy fidradradradrana mafy eran'ny tany Egypta rehetra, izay tsy mbola nisy tahaka izany, sady tsy hisy tahaka izany intsony.

7. Kanefa tsy hisy na dia alika aza hanetsika ny lela ny amin'ny Zanak'Isiraely rehetra, na amin'ny olona, na amin'ny biby, mba ho fantatrareo ny tsi-fampitovian'i Jehovah ny Egyptiana sy ny Isiraely.

8. Ary hidina ho ao amiko ireo mpanomponao rehetra ireo dia hiankohoka eo anatrehako ka hanao hoe: Mandehana ianao sy ny olona rehetra izay manaraka anao; ary rehefa afaka izany, dia vao handeha aho. Dia niala teo amin'i Farao tamin'ny fahatezerana mirehitra Mosesy.

9. Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Tsy hihaino anareo Farao, mba hitomboan'ny fahagagana izay hataoko eto amin'ny tany Egypta.

10. Ary Mosesy sy Arona nanao ireo fahagagana rehetra ireo teo amin'i Farao; nefa Jehovah nanamafy ny fon'i Farao, ka tsy nandefa ny Zanak'Isiraely hiala tamin'ny taniny izy.

Vakio ny toko manontolo Eksodosy 11