Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Deotoronomia 33:17-27 Malagasy Bible (MG1865)

17. Ny voalohan-teraky ny ombiny dia malaza, Tandrok'ombimanga ny tandrony; Izany no hanotoany ny firenena rehetra, Dia ny faran'ny tany; Ireo no alinalin'i Efraima Sy arivoarivon'i Manase.

18. Ary ny amin'i ZEBOLONA dia hoy izy: Mifalia, ry Zebolona, amin'izay alehanao, Ary ianao, ry ISAKARA, ao an-dainao.

19. Firenena no antsoiny hankao an-tendrombohitra, Ary ao no hamonoany zavatra ho fanati-pahamarinana; Fa hitsentsitra ny haren'ny ranomasina izy Sy ny zava-tsoa miafina ao amin'ny fasika.

20. Ary ny amin'i GADA dia hoy Izy; Isaorana anie Izay manome malalaka ho an'i Gada; Mamitsaka tahaka ny liom-bavy izy Ka mamiravira ny sandry mbamin'ny tampon-doha.

21. Nizaha izay tsara indrindra ho an'ny tenany izy, Fa teo ny anaran'ny mpanao lalàna no efa voatokana. Niaraka tamin'ny lohan'ny firenena izy, Ary araka ny fahamarinan'i Jehovah ny nataony, Sy araka ny fitsipiny izay iombonany amin'ny Isiraely.

22. Ary ny amin'DANA dia hoy izy: Dana dia zana-diona; Miantsampy avy ao Basana izy.

23. Ary ny amin'i NAFTALY dia hoy izy: Ry Naftaly, voky fankasitrahana Ka feno ny fitahian'i Jehovah, Mandovà ny andrefana sy ny atsimo anie ianao.

24. Ary ny amin'i ASERA dia hoy izy: Aoka hotahina mihoatra noho ny zaza maro Asera, Ary hankasitrahana mihoatra noho ny rahalahiny izy Ka hanoboka ny tongony amin'ny diloilo.

25. Ho vy sy varahina ny hidinao; Ary hifamatra amin'ny andronao ny fiadananao.

26. Ry Jesorona, tsy misy tahaka an'Andriamanitra, Izay mitaingina ny lanitra hamonjy anao, Sady mandia ny rahona amin'ny voninahiny.

27. Ny Andriamanitra hatrizay hatrizay no fonenana, Ary ny sandry mandrakizay no eto ambany. Mandroaka ny fahavalo eo anoloanao Izy Ka manao hoe: Aringano.

Vakio ny toko manontolo Deotoronomia 33