Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Deotoronomia 30:4-11 Malagasy Bible (MG1865)

4. Raha misy aminao voaroaka any amin'ny faravodilanitra, dia avy any no hanangonan'i Jehovah Andriamanitrao anao, ary avy any indray no hanalany anao.

5. Dia hampidirin'i Jehovah Andriamanitrao ao amin'ny tany izay nolovan'ny razanao ianao, ka holovanao izany; ary hanisy soa anao Izy sy hahamaro anao mihoatra noho ny razanao.

6. Dia hoforan'i Jehovah Andriamanitrao ny fonao sy ny fon'ny taranakao hitiavanao an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, mba ho velona ianao.

7. Ary hataon'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fahavalonao sy ny mankahala anao izay nanenjika anao ireny fanozonana rehetra ireny.

8. Dia hihaino ny feon'i Jehovah indray ianao ka hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio.

9. Ary hataon'i Jehovah Andriamanitrao manana amby ampy ianao amin'izay hahasoa anao, dia amin'ny asan'ny tananao sy ny ateraky ny kibonao sy ny ateraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao; fa ho faly aminao indray Jehovah ka hahasoa anao, araka izay nahafaliany tamin'ny razanao,

10. raha mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao, hitandremanao ny didiny sy ny lalàny, izay voasoratra amin'ity bokin'ny lalàna ity, ka miverina amin'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra.

11. Fa izao lalàna izao, izay andidiako anao anio, tsy dia saro-pantarina aminao, ary tsy lavitra.

Vakio ny toko manontolo Deotoronomia 30