Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Deotoronomia 30:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary rehefa tonga aminao izany zavatra rehetra izany, dia ny fitahiana sy ny fanozonana izay nataoko teo anoloanao, ary mahatsiaro izany ao am-ponao any amin'ny firenena rehetra izay androahan'i Jehovah Andriamanitrao anao ianao,

2. ka miverina amin'i Jehovah Andriamanitrao sy mihaino ny feony amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, araka izay rehetra andidiako anao sy ny zanakao anio,

3. dia hampodin'i Jehovah Andriamanitrao avy amin'ny fahababoanao ianao, ary hamindra fo aminao Izy ka hanangona anao indray avy any amin'ny firenena rehetra izay nampielezan'i Jehovah Andriamanitrao anao.

4. Raha misy aminao voaroaka any amin'ny faravodilanitra, dia avy any no hanangonan'i Jehovah Andriamanitrao anao, ary avy any indray no hanalany anao.

5. Dia hampidirin'i Jehovah Andriamanitrao ao amin'ny tany izay nolovan'ny razanao ianao, ka holovanao izany; ary hanisy soa anao Izy sy hahamaro anao mihoatra noho ny razanao.

6. Dia hoforan'i Jehovah Andriamanitrao ny fonao sy ny fon'ny taranakao hitiavanao an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, mba ho velona ianao.

Vakio ny toko manontolo Deotoronomia 30