Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Deotoronomia 22:21-26 Malagasy Bible (MG1865)

21. dia ho entiny mivoaka ho eo anoloan'ny varavaran'ny tranon-drainy razazavavy ka hotorahan'ny mponina amin'ny tanànany vato ho faty, satria nanao izay fady indrindra teo amin'ny Isiraely izy ka nijangajanga tao an-tranon-drainy; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.

22. Raha misy lehilahy azo mandry amim-behivavy vadin'olona, dia samy hatao maty izy roroa, na ralehilahy izay nandry tamin-dravehivavy, na ravehivavy koa; ka dia hofongoranao tsy ho eo amin'ny Isiraely ny fanao ratsy.

23. Raha misy zazavavy virijina voafofo ho vadin'olona, ary misy lehilahy mahita azy eo an-tanàna ka mandry aminy,

24. dia ho entinareo mivoaka ho eo amin'ny vavahadin'izany tanàna izany izy roroa ka hotorahanareo vato ho faty: razazavavy moa, satria tsy niantso, nefa tao an-tanàna ihany; ary ralehilahy koa, satria nandry tamin'ny vadin'ny namany; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.

25. Fa raha any an-tsaha kosa no ahitan-dralehilahy an-drazazavavy voafofo ho vadin'olona, ary misavika azy ralehilahy ka mandry aminy, dia ralehilahy izay nandry taminy ihany no hatao maty.

26. Fa ravehivavy dia tsy hasianao na inona na inona; fa tsy misy ota tokony hahafaty azy; fa tahaka ny olona mitsangana hamely ny namany ka mahafaty azy no hevitr'izany zavatra izany.

Vakio ny toko manontolo Deotoronomia 22