Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Deotoronomia 12:17-29 Malagasy Bible (MG1865)

17. Tsy azonao hanina ao an-tanànanao, na ny ampahafolon'ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao, na ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman'osinao, na ny zavatra rehetra hataonao voady, na ny fanati-tsitraponao, na ny fanatitra asandratry ny tananao.

18. Fa eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao no hihinananao azy, dia eo amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao, dia ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy sy ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita izay ao an-tanànanao; ary hifaly eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao ianao amin'izay rehetra hanin'ny tananao.

19. Mitandrema mba tsy ho foinao ny Levita amin'ny andro rehetra hiainanao amin'ny taninao.

20. Raha hitarin'i Jehovah Andriamanitrao ny fari-taninao, araka izay nolazainy taminao, ka hoy ianao: Hihinan-kena aho, satria maniry hihinan-kena ny fanahinao, dia mahazo mihinan-kena araka izay rehetra irin'ny fanahinao ianao.

21. Raha lavitra anao loatra ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao hasiany ny anarany, dia hamonoanao ny ombinao sy ny ondry aman'osinao izay nomen'i Jehovah anao, araka izay efa nandidiako anao, ary hohaninao ao an-tanànanao, araka izay rehetra irin'ny fanahinao izany.

22. Kanefa tahaka ny ahazoanao mihinana ny gazela sy ny diera no hahazoanao mihinana ireny: na ny maloto na ny madio dia samy mahazo mihinana azy.

23. Kanefa tandremo tsara mba tsy hohaninao ny rà, fa ny rà no aina, ary tsy mahazo mihinana ny aina amin'ny hena ianao.

24. Aza mihinana azy ianao, fa aidino amin'ny tany toy ny rano izy;

25. eny, aza mihinana azy ianao, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao, raha manao izay mahitsy eo imason'i Jehovah ianao.

26. Kanefa ny zava-masinao sy ny zavatra nataonao voady dia ento mankany amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah.

27. Ary atero eo amin'ny alitaran'i Jehovah Andriamanitrao ny fanatitra doranao, dia ny henany sy ny ràny; ary ny ran'ny fanatitrao hafa dia aidino eo amin'ny alitaran'i Jehovah Andriamanitrao, fa ny henany dia azonao hohanina ihany.

28. Tandremo, ka henoy izao teny rehetra izao, izay andidiako anao, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao mandrakizay, raha manao izay tsara sy mahitsy eo imason'i Jehovah Andriamanitrao ianao.

29. Rehefa aringan'i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ny firenen-tsamy hafa, izay alehanao horesenao, ary handresy azy ianao ka honina eo amin'ny taniny,

Vakio ny toko manontolo Deotoronomia 12