Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Deotoronomia 10:6-16 Malagasy Bible (MG1865)

6. Ary ny Zanak'Isiraely nandeha niala tamin'ny fantsakan'i Bene-jakana ka nankany Mosera; tao no nahafatesan'i Arona, ary tao no nandevenana azy; ary Eleazara zanany no tonga mpisorona nandimby azy.

7. Ary nony niala tao izy, dia nankany Godgoda; ary nony niala tao Godgoda izy, dia nankany Jotbata, tany be ony.

8. Tamin'izany andro izany no nanokanan'1 Jehovah ny firenen'i Levy hitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah sy hijanona eo anatrehan'i Jehovah hanao fanompoam-pivavahana aminy sy hitso-drano amin'ny anarany mandraka androany.

9. Izany no tsy ananan'ny Levita anjara na lova eo amin'ny rahalahiny; Jehovah no lovany, araka izay nolazain'i Jehovah Andriamanitrao taminy.

10. Ary izaho nitoetra efa-polo andro sy efa-polo alina tao an-tendrombohitra tahaka ilay teo ihany; ary Jehovah nihaino ahy tamin'izany andro izany koa ka tsy nety nandringana anao.

11. Dia hoy Jehovah tamiko: Miaingà, mandehana eo alohan'ny olona, hidirany sy handovany ny tany, izay nianianako tamin'ny razany homena azy.

12. Ary ankehitriny, ry Isiraely ô, inona moa no ilain'i Jehovah Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hatahotra an'i Jehovah Andriamanitrao sy ny handeha amin'ny lalany rehetra ary ny ho tia Azy sy hanompo an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra,

13. hitandrina ny didin'i Jehovah sy ny lalàny izay andidiany anao anio, mba hahita soa ianao?

14. Indro, an'i Jehovah Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra ary ny tany mbamin'izay rehetra eo aminy.

15. Kanefa ny razanao no niraiketan'ny fitiavan'i Jehovah, ka nifidy anareo zanany mandimby azy Izy mihoatra noho ny firenena rehetra, tahaka ny amin'izao anio izao.

16. Koa forao ny fonareo, fa aza mafy hatoka intsony ianareo.

Vakio ny toko manontolo Deotoronomia 10