Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Deotoronomia 1:34-46 Malagasy Bible (MG1865)

34. Any nandre ny teninareo Jehovah, dia tezitra Izy ka nianiana hoe:

35. Tsy hisy olona mihitsy amin'izao taranaka ratsy fanahy izao hahita ny tany soa izay nianianako homena ny razanareo,

36. afa-tsy Kaleba, zanak'i Jefone; izy no hahita azy, any izy sy ny zanany no homeko ny tany izay nodiaviny, satria efa tanteraka tamin'ny fanarahana an'i Jehovah izy.

37. Ary izaho koa dia notezeran'i Jehovah noho ny aminareo ka nataony hoe: Hianao koa tsy hiditra any;

38. fa Josoa, zanak'i Nona, izay mitsangana eo anatrehanao, izy no hiditra any, koa izy no ampaherezo, fa izy no hampandova ny Zanak'Isiraely ny tany.

39. Ary ny zanakareo madinika, izay nolazainareo fa ho babo, any ny zanakareo izay tsy mahalala ny tsara sy ny ratsy amin'izao andro izao, dia izy no hiditra any, ary izy no homeko ny tany, ary izy no handova azy.

40. Fa ianareo kosa dia miverena, ka mandehana any an-efitra, dia any amin'ny lalana mankany amin'ny Ranomasina Mena.

41. Dia namaly ianareo ka nanao tamiko hoe: Efa nanota tamin'i Jehovah izahay; hiakatra ihany izahay ka hiady, araka izay rehetra nandidian'i Jehovah Andriamanitsika antsika. Dia samy nivonona tamin'ny fiadiany avy ianareo rehetra, ka nataonareo ho tsinontsinona ny hiakatra any an-tendrombohitra.

42. Dia hoy Jehovah tamiko: Lazao aminy hoe: Aza miakatra ianareo, ary aza miady, fa tsy eo aminareo Aho; fandrao ho resy eo anoloan'ny fahavalonareo ianareo.

43. Dia niteny taminareo aho, nefa tsy nihaino ianareo; ary nandà ny tenin'i Jehovah ianareo, dia nanao sahisahy ka niakatra tany an-tendrombohitra ihany.

44. Dia nivoaka hiady aminareo ny Amorita, izay nonina tamin'izany tendrombohitra izany, ka nanenjika anareo tahaka ny fanenjiky ny reni-tantely, dia nandringana anareo tany Seira ka hatrany Horma.

45. Dia niverina ianareo ka nitomany teo anatrehan'i Jehovah; nefa tsy nihaino ny feonareo Jehovah, na nanongilana ny sofiny taminareo.

46. Dia nitoetra ela tao Kadesy ianareo, araka ny andro izay nitoeranareo tao.

Vakio ny toko manontolo Deotoronomia 1