Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Tantara 9:13-26 Malagasy Bible (MG1865)

13. Ary ny lanjan'ny volamena izay tonga tao amin'i Solomona isan-taona dia talenta volamena enina amby enim-polo amby enin-jato,

14. afa-tsy izay nentin'ny mpivarotra sy ny mpandranto. Ary ny mpanjakan'i Arabia rehetra sy ny mpanapaka ny tany dia samy nitondra volamena sy volafotsy ho an'i Solomona.

15. Ary Solomona mpanjaka nanao ampinga volamena lehibe roan-jato tamin'ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena sekely enin-jato no napetaka tamin'ny ampinga lehibe iray.

16. Ary nanao ampinga volamena telonjato koa izy tamin'ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena sekely telon-jato no napetaka tamin'ny ampinga iray. Dia napetraky ny mpanjaka tao amin'ny trano Alan'i Libanona lreo.

17. Ary ny mpanjaka nanao seza fiandrianana ivory lehibe, ka nopetahany takela-bolamena tsara.

18. Nisy ambaratonga enina amin'ny seza fiandrianana sy fitoeran-tongotra volamena, izay naraikitra tamin'ny seza fiandrianana, ary nisy fitehenana teo an-daniny roa tamin'ny fipetrahana ary nisy sarin-diona roa teo an-danin'ny fitehenan-tanana;

19. ary nisy sarin-diona roa ambin'ny folo teo an-daniny roa teo amin'ny ambaratonga enina. Tsy nisy natao tahaka izany tany amin'ny fanjakana rehetra.

20. Ary ny fisotroan'i Solomona mpanjaka dia volamena avokoa, ary ny fanaka rehetra tao amin'ny trano Alan'i Libanona koa dia volamena tsara avokoa; tsy nisy volafotsy ireo, fa natao toy ny tsinontsinona izany tamin'ny andron'i Solomona.

21. Fa ny mpanjaka nanana sambo mpankany Tarsisy niaraka tamin'ny mpanompon'i Hirama; ary indray mandeha isan-telo taona no nihavian'ny sambon'i Tarsisy nitondra volamena sy volafotsy sy ivory sy rajako ary vorombola.

22. Ary Solomona mpanjaka dia nanan-karena sady hendry indrindra noho ny mpanjaka rehetra ambonin'ny tany.

23. Ary ny mpanjaka rehetra ambonin'ny tany nitady hahita ny tavan'i Solomona mba hihaino ny fahendrena, izay nataon'Andriamanitra tao am-pony.

24. Ary izy rehetra dia samy nahatonga ny anjarany avy isan-taona, dia fanaka volafotsy sy fanaka volamena sy fitafiana sy fiadiana sy zava-manitra sy soavaly ary ampondra.

25. Ary Solomona nanana efi-trano efatra arivo fitoeran'ny soavaly mpitarika kalesy ary soavaly fitaingina roa arivo sy iray alina, izay nataony tao amin'ireo tanàna fitoeran-kalesy sy tao amin'ny mpanjaka tany Jerosalema.

26. Ary nanjaka tamin'ny mpanjaka rehetra hatramin'ny Ony ka hatramin'ny tanin'ny Filistina ary hatramin'ny sisin'i Egypta izy.

Vakio ny toko manontolo 2 Tantara 9