Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Tantara 34:24-31 Malagasy Bible (MG1865)

24. Izao no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho hahatonga loza amin'ity tanàna ity sy amin'ny mponina eto, dia ny ozona rehetra izay voasoratra ao amin'ilay boky efa novakina teo anatrehan'ny mpanjakan'ny Joda.

25. Satria nahafoy Ahy izy ka nandoro ditin-kazo manitra ho an'ireny andriamani-kafa sady nampahatezitra Ahy amin'izay rehetra nataon'ny tànany, dia haidina amin'ity tanana ity ny fahatezerako ka tsy hosakanana.

26. Fa ny amin'ny mpanjakan'ny Joda kosa izay naniraka anareo hanontany amin'i Jehovah, dia ambarao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny amin'ny teny izay efa novakinao,

27. satria nino anatra ianao ka nanetry tena teo anatrehan'Andriamanitra, raha nandre ny teniny ny amin'ity tanàna ity sy ny mponina eto, eny, satria nanetry tena teo anatrehako ianao ka nandriatra ny fitafianao sady nitomany teo anatrehako, dia Izaho efa nihaino, hoy Jehovah.

28. Koa, indro, hangoniko any amin'ny razanao ianao ary hangonina any amin'ny fasanao amin'ny fiadanana, ka ny masonao dia tsy mba hahita izay loza rehetra ho entiko mamely ity tanàna ity sy ny mponina eto. Dia nitondra valiny ho any amin'ny mpanjaka izy ireo.

29. Ary ny mpanjaka naniraka olona ka nampivory ny loholon'ny Joda sy Jerosalema rehetra.

30. Dia niakatra ho ao an-tranon'i Jehovah ny mpanjaka sy ny lehilahy rehetra tamin'ny Joda sy ny mponina tany Jerosalema mbamin'ny mpisorona sy ny Levita ary ny vahoaka rehetra, na lehibe na kely; dia novakiny teo anatrehany ny teny rehetra teo amin'ny bokin'ny fanekena, izay hita tao an-tranon'i Jehovah.

31. Ary ny mpanjaka nitsangana teo amin'ny fitoeran'andriana, dia nanao fanekena teo anatrehan'i Jehovah hanaraka Azy sy hitandrina ny lalàny sy ny teni-vavolombelony ary ny didiny amin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra, hankatò ny tenin'ny fanekena izay voasoratra ao amin'izany boky izany,

Vakio ny toko manontolo 2 Tantara 34