Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Tantara 29:26-36 Malagasy Bible (MG1865)

26. Ary ny Levita nitsangana teo nitondra ny zava-manenon'i Davida, ary ny mpisorona koa nitondra ny trompetra.

27. Ary nasain'i Hezekia naterina teo ambonin'ny alitara ny fanatitra dorana; ary raha vao natomboka ny nanaterana ny fanatitra dorana, dia natomboka koa ny fihirana ho an'i Jehovah sy ny fitsofana ny trompetra ka notarihin'ny zava-manenon'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely.

28. Ary ny fiangonana rehetra niankohoka, ary ny mpihira nihira, ary ny mpitsoka trompetra nitsoka mandra-pahavitan'ny fanatitra dorana.

29. Ary nony efa nitsahatra ny nanaterana izany, dia nandohalika sy niankohoka ny mpanjaka mbamin'izay rehetra teo aminy.

30. Ary Hezekia mpanjaka sy ny mpanapaka nampihira ny Levita hidera an'i Jehovah tamin'ny teny namboarin'i Davida sy Asafa mpahita. Ary nihira fiderana tamin'ny hafaliana izy, dia niondrika sy niankohoka.

31. Ary Hezekia niteny hoe: Efa nanokana ny tenanareo ho an'i Jehovah ianareo izao, ka dia manatòna, ary mitondrà fanati-pisaorana sy fanatitra hafa koa ho ao an-tranon'i Jehovah. Dia nitondra fanati-pisaorana sy fanatitra hafa ny fiangonana, ary izay rehetra nazoto dia nitondra fanatitra dorana.

32. Ary ny isan'ny fanatitra dorana izay nentin'ny fiangonana dia omby fito-polo sy ondrilahy zato ary zanak'ondry roan-jato; natao fanatitra dorana ho an'i Jehovah ireo rehetra ireo.

33. Ary ny zavatra nohamasinina dia omby enin-jato sy ondry aman'osy telo arivo.

34. Fa vitsy loatra ny mpisorona ka tsy nahendaka ny fanatitra dorana rehetra, ka dia nanampy azy ny Levita rahalahiny mandra-pahavitan'ny raharaha sy ny nanamasinan'ny mpisorona sasany ny tenany koa; fa ny Levita nahitsy fo kokoa hanamasina ny tenany noho ny mpisorona.

35. Ary be koa ny fanatitra dorana sy ny saboran'ny fanati-pihavanana sy ny fanatitra aidina momba ny fanatitra dorana. Izany no nanavaozany ny fanompoana tao an-tranon'i Jehovah.

36. Ary faly Hezekia sy ny vahoaka rehetra noho izay namboarin'Andriamanitra ho an'ny olona, satria tampoka izany raharaha izany.

Vakio ny toko manontolo 2 Tantara 29