Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Tantara 28:20-23 Malagasy Bible (MG1865)

20. Ary Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria, tonga tao aminy, nefa nampahory azy fa tsy nampahery azy.

21. Fa efa nalain'i Ahaza ny zavatra tao an-tranon'i Jehovah sy tao an-tranon'ny mpanjaka sy ny an'ny mpanapaka, ary efa nomeny ny mpanjakan'i Asyria, nefa tsy nahasoa azy akory izany.

22. Ary tamin'ny andro nampahoriana azy dia mbola nanao izay nahadiso amin'i Jehovah ihany io Ahaza mpanjaka io.

23. Ary namono zavatra hatao fanatitra ho an'ireo andriamanitr'i Damaskosy, izay namely azy, izy ka nanao hoe: Ireo andriamanitry ny mpanjakan'i Asyria, izay nanampy azy, no hamonoako zavatra hatao fanatitra mba hanampiany ahy. Kanjo tonga fandravana azy sy ny Isiraely rehetra ireo.

Vakio ny toko manontolo 2 Tantara 28