Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Tantara 24:14-24 Malagasy Bible (MG1865)

14. Ary nony vitany izany, dia nentiny teo anatrehan'ny mpanjaka sy Joiada ny vola sisa ka nanaovany fanaka ho an'ny tranon'i Jehovah, dia fanaka ho enti-manao fanompoam-pivavahana sy manatitra fanatitra ary lovia kely sy fanaka volamena sy volafotsy. Ary nanatitra fanatitra dorana tao an-tranon'i Jehovah mandrakariva izy tamin'ny andron'i Joiada rehetra.

15. Fa tratrantitra sy ela niainana Joiada vao maty: telo-polo amby zato taona izy vao maty.

16. Ary nalevina tao an-Tanànan'i Davida tao amin'ny mpanjaka izy, satria nanao soa teo amin'ny Isiraely ary tamin'Andriamanitra sy ny tranony koa.

17. Ary rehefa maty Joiada, dia avy Ireo mpanapaka ny Joda ka niankohoka teo anatrehan'ny mpanjaka. Dia nihaino azy ny mpanjaka.

18. Ary nandao ny tranon'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ireo ka nanompo ny Aseraha sy ny sampy dia nisy fahatezerana nihatra tamin'ny Joda sy Jerosalema noho ny fahadisoany.

19. Ary naniraka mpaminany tany aminy Izy hampiverina azy amin'i Jehovah; dia nananatra azy mafy ireo, nefa tsy nety nihaino izy.

20. Ary Zakaria, zanak'i Joiada mpisorona, notsindrian'ny Fanahin'Andriamanitra, dia nitsangana teo amin'ny avoavo teo anatrehan'ny vahoaka izy ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'Andriamanitra: Nahoana ianareo no mandika ny didin'i Jehovah ka tsy mahita fanambinana? Satria efa nahafoy an'i Jehovah ianareo, dia nahafoy anareo kosa Izy.

21. Dia nanao teti-dratsy ireo ka nitora-bato azy teo amin'ny kianjan'ny tranon'i Jehovah araka ny tenin'ny mpanjaka.

22. Toy izany no tsy nahatsiarovan'i Joasy mpanjaka ny soa nataon'i Joiada rainy taminy, fa namono ny zanany izy. Ary nony efa ho faty Zakaria, dia niteny hoe: Jehovah anie hijery sy hamaly izao.

23. Ary nony efa niherina ny taona, dia avy ny miaramilan'i Syria hiady taminy; ary tonga tany Joda sy Jerosalema izy, ka matiny avokoa ny mpanapaka rehetra tao amin'ny olona, ary nampitondrainy ho any amin'ny mpanjakan'i Damaskosy ny babo rehetra.

24. Fa vitsy ny miaramilan'ny Syriana izay tonga teo, nefa Jehovah nanolotra miaramila maro ho eo an-tànany noho ny nahafoizany an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany. Toy izany no nahatanterahan'ireo ny famaliana an'i Joasy.

Vakio ny toko manontolo 2 Tantara 24