Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Tantara 23:7-11 Malagasy Bible (MG1865)

7. Ary ny Levita hanemitra manodidina ny mpanjaka, samy mitana ny fiadiany avy; ka na iza na iza miditra ao an-trano dia Vonoy, ary arahonareo ny mpanjaka, na miditra na mivoaka izy.

8. Ary ny Levita sy ny Joda rehetra dia nanao araka izay rehetra nandidian'i Joiada mpisorona azy, ka samy nitondra ny olom-peheziny izay nilatsaka tamin'ny Sabata sy izay niala tamin'ny Sabata izy; fa Joiada mpisorona tsy nandrava ny antokony.

9. Ary nomen'i Joiada mpisorona ho an'ny mpifehy zato ny lefona sy ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe, izay an'i Davida mpanjaka ka tao an-tranon'Andriamanitra.

10. Ary ny vahoaka rehetra dia nalahany, samy nitana ny fiadiany avy hanodidina ny mpanjaka hatramin'ny lafiny ankavavan'ny trano ka hatramin'ny lafiny ankavia, hatramin'ny alitara ka hatramin'ny trano.

11. Dia nentiny nivoaka ny zanakalahin'ny mpanjaka ka nampisatrohiny ny satro-boninahitra, sady notolorany ny teni-vavolombelona, ka dia nampanjakainy. Ary Joiada sy ny zanany nanosotra azy ka niantso hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka!

Vakio ny toko manontolo 2 Tantara 23