Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Tantara 15:14-19 Malagasy Bible (MG1865)

14. Ary nianiana ho an'i Jehovah tamin'ny feo mahery sy ny fihobiana ary tamin'ny trompetra sy ny anjomara izy.

15. Ary ny Joda rehetra nifaly noho ny fianianana, fa efa nianiana tamin'ny fony rehetra izy sady nazoto nitady an'i Jehovah indrindra, ka dia nahita Azy; ary Jehovah dia nanome azy fiadanana tamin'ny manodidina fahizay.

16. Ary na dia Imaka, renin'i Asa mpanjaka, aza dia naetriny tsy ho andriambavy, satria efa nanao sampy ho an'ny Aseraha izy; ary Asa nikapa ny sampiny, dia nanorotoro ka nandoro azy tao amin'ny lohasahan-driaka Kidrona.

17. Fa ny fitoerana avo tsy mba noravana tamin'ny Isiraely; nefa nahitsy ny fon'i Asa tamin'ny androny rehetra.

18. Ary nampidiriny ho ao an-tranon'i Jehovah ny zavatra izay nohamasinin-drainy mbamin'izay nohamasinin'ny tenany, dia volafotsy sy volamena ary fanaka.

19. Ary tsy nisy ady intsony hatramin'ny taona fahadimy amby telo-polo nanjakan'i Asa.

Vakio ny toko manontolo 2 Tantara 15