Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Tantara 1:9-15 Malagasy Bible (MG1865)

9. Koa ankehitriny, ry Jehovah Andriamanitra ô. aoka ho tanteraka teninao tamin'i Davida raiko; fa Hianao efa nampanjaka ahy tamin'ny vahoaka maro be tahaka ny vovo-tany.

10. Koa omeo fahendrena sy fahalalana aho hitarihako ireto vahoaka ireto mivoaka sy miditra; fa iza no hahay mitsara izao olonao betsaka izao?

11. Dia hoy Andriamanitra tamin'i Solomona: Satria tao am-ponao izany ka tsy nangataka vola aman-karena ianao, na voninahitra, na ain'ny fahavalonao, ary tsy nangataka ho ela velona aza, fa nangataka fahendrena sy fahalalana hitsaranao ny oloko izay nampanjakako anao,

12. dia omena anao ny fahendrena sy fahalalana; ary homeko vola aman-karena sy voninahitra koa ianao, mihoatra noho izay nananan'ny mpanjaka rehetra na iza na iza tany alohanao, ary tsy hisy hanana tahaka izany ny any aorianao.

13. Ary tonga tany Jerosalema Solomona avy teo amin'ny fitoerana avo tao Gibeona, dia teo anoloan'ny trano-lay fihaonana; ary nanjaka tamin'ny Isiraely izy.

14. Ary Solomona nanangona kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ka nanana kalesy efa-jato amby arivo sy mpitaingin-tsoavaly roa arivo sy iray alina, izay nataony tany amin'ireny tanàna fitoeran'ny kalesy ary tao amin'ny mpanjaka tany Jerosalema.

15. Ary nataon'ny mpanjaka ho tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy sy ny volamena tany Jerosalema, ary ny hazo sedera nataony toy ny aviavy eny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka.

Vakio ny toko manontolo 2 Tantara 1